Tovo J’hay – Nanolotra seho goavana tao amin’ny Skandal Buffet
Toerana fisakafoanana sy fialana hetaheta vaovao vao nisokatra etsy Ankorondrano ny Skandal Buffet saingy efa nisarika olona maro sahady. Nakotrokotroka mantsy ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ka mety maro no liana, te hanandrana ary te hitsidika ny toerana. Noho izany dia nanolotra ny seho voalohany tao amin’ity toerana ity i Tovo J’hay tamin’ny zoma alina lasa teo. Fampisehoana miavaka tokoa satria sady afaka nisakafo sy nisotro ny mpijery no sady nankafia mozika. I Tovo J’hay rahateo dia mpihira efa fanta-daza sy tsy atoro intsony amin’ny resaka fanafanana lanonana. Nandritra ny fampisehoana dia noventesin’ity mpanakanto ity ireo hira rehetra nahafantarana azy, indrindra fa ireo mikasika ny lohahevitra fitiavana. Azo lazaina ho afa-po tanteraka, tamin’ny sakafo sy ny fandraisana ny mpijery no sady nahazo fahafinaretana tamin’ilay seho an-tsehatra. Hitohy isaka ny faran’ny herinandro ny hetsika ao amin’ny Skandal Buffet etsy Ankorondrano.
Ra Tax.

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny