Mahajanga II – Mpanamboatra basy vita gasy voasambotra
Tratra tany Bematsitso, kaominina ambanivohitra Ambalakida – Mahajanga II, ny mpanao basy vita gasy iray niaraka tamin’ireo olona roalahy notondroiny ho mpividy ireo basy vao vita. Toy izao amin’ny sary izao ny basy vitany izay miendrika « pistolet ». Ireo hitantsika ireo koa ny fitaovana fanamboarany azy. Tsy nety nilaza ny vidiny hivarotany azy moa ity mpanamboatra basy ity. Niakatra fitsarana ny 7 febroary lasa teo izy telo lahy ary efa any am-ponja.
Toe-javatra mbola mahagaga ny besinimaro satria dia raisina foana hoe rehefa basy vita gasy dia basy hoentina manao ratsy. Raha mba hiarovany ny fananany moa no anaovany izany inona no olana rehefa manaraka ny fepetra rehetra takiana aminy toy ireo zavatra vita gasy rehetra izay noforonin’ny Malagasy toa azy? Ekena ny tsy fandriam-pahalemana, fa rehefa Malagasy ve no mba mahavita zavatra dia tsy maintsy gadraina any am-ponja sy borina ny tanany. Fa maninona tokoa moa izy ireny raha mba omena sehatra sy ampiana amin’ny fikarohana izay ataony mba hampisondrotra azy ho tombony ho an’ny firenena? Sa rehefa vita gasy ve dia midika hatrany fa ratsy fa tsy maintsy ny an’ny vazaha ihany no azo ampiasaina sy ahindrahindra fa tsara nefa efa resy an’ady hoy ny fitenenana. Satria efa nampiasana tamin’ny ady lehibe voalohany avokoa no ampiasain’ny mpitandro filaminana sy entina miseho amin’ny vahoaka rehefa fetim-pirenena. Hividy aza atao ka ny mba mety hahakelikely ny volam-bahoaka mivoaka indray no sakanana.
Nangonin’i S.A.

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny