Diso laharam-pahamehana
Mbola mametra-panontaniana ny maro amin’izao fotoana izao hoe maninona no tsy sokafana hamahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana ilay lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato. Rehefa mamaly izany ny manam-pahefana dia milaza fa mbola tsy vita tanteraka ny lalana ka atahorana sao ho simba raha toa ka ampiasain’ny rehetra. Rahoviana izany io fotodrafitrasa io vao ho afaka hampiasain’ny Malagasy ? Toa mitombina ihany ny filazan’ny vahoaka hoa natao ho an’ny vazaha io fa tsy ho an’ny Malagasy. Tena mikaikaika ny mponina eny Ivato hamonjy ny renivohitra nefa ny Fanjakana tsy rototra amin’ny famitàna ilay lalana. Efa ho 5 volana aty aorinan’ny nanokafana azy tamin’ny frankofonia ve dia tsy ho vita ihany raha tena namboarina. Ny fomba fitantanana toy izany anefa no mahatonga ny vahoaka tsy hanana fahatokisana amin’ny mpitondra intsony. Tsy azo hadinoina mantsy fa nisy tranon’olona noravana tamin’ny fanaovana io fotodrafitrasa io. Nisy tanimbary nalain’ny Fanjakana ihany koa nefa dia io tsy azo ampiasaina io ilay lalana. Malaza tsy ihinanana toy ny lovian-tsahona ara-bakiteny mihitsy satria nireharehan’ny mpitondra Fanjakana fatratra fa anisan’ny tombontsoa napetraky ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka. Izao anefa toa lalovam-potsiny ary tsy azon’ny Malagasy ampiasaina akory ilay izy.
Lasa resaka praopagandy politika fotsiny sisa ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara. Ekena fa tena mitondra asa fampandrosoana tokoa ireny fotodrafitrasa ireny na nisy aza ireo nanely taloha fa tsy hanina ny lalana. Na izany aza dia hita ihany fa misy laharam-pahamehana hafa tena manahirana ny vahoaka amin’izao fotoana izao dia ny ara-tsosialy. Tena mahantra ny ankamaroan’ny isan-tokantrano ary manahirana hatramin’ny fitadiavana sakafo hivelomana isan’andro. Tsy mahagaga raha mitombo isa ireo mpatory an-tsena sy mpangataka eto an-drenivohitra. Tena vahoaka malagasy izy ireny fa tsy vahiny akory ary tsy azo odian-tsy hita. Olona nandositra ny fahantrana sy ny tsy fisiana tany amin’ny toerana nisy azy ireny mpatory sy mpirenireny eny an-tsena ireny ka niakatra ny renivohitra satria aty no misy ny mpitondra Fanjakana heverin’izy ireo fa azony ianteherana hamonjy azy. Ireny no antsoina hoe resy tanteraka ary porofon’ny fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena. Ankoatra ny mpangataka sy ny mpitsindroka fako mba hivelomana anefa dia marobe amin’ny Malagasy no tena ao anatin’ny fahasahiranana noho ny tsy fisian’ny asa mahavelona. Tsy mahagaga raha mitombo andro aman’alina ireo mpanao asa tsy ara-dalàna satria tsy ampy ny tolotr’asa misy.
Tsapan’ny fitondram-panjakana ny fahasahiranan’ny vahoaka araka ny kabary averimberin’izy ireo. Manaporofo izany ny tetikasa fanaovana asa tana-maro sy ny fizarana fanomezana kely etsy sy eroa. Tsy hahavita taona anefa ireny ary tsy afaka hitondra fampandrosoana ho an’ny isan-tokantrano ihany koa. Mila asa ara-dalàna sy marin-toerana ny vahoaka mba tena hahafahany mandray anjara amin’ny tena asa fampandrosoana marina. Matetika ny mpitondra no manao antso mba hiarahan’ny rehetra mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena nefa sarotra tanterahina izany raha tsy misy rafitra sy sehatra hahafahan’ny tsirairay mandray anjara. Tsy vitan’ny antso mantsy ny fifanomezan-tanana fa mila famoronana asa ihany koa. Mbola lavitr’ezaka anefa ny sehatry ny famoronana asa eto Madagasikara. Na misy fitomboany isan-taona aza ny antontan’isa mahakasika ny famoronana orinasa vaovao dia hita fa tsy matotra ny ankamaroany ary tsy maharitra ela no tsy misokatra ho an’ny hafa ihany koa. Saika karazana orinasa mitsipozipozy kely amin’ny sehatra fanelanelanana ara-barotra sy serasera no betsaka ary tsy maharitra roa taona akory ny ankamaroany dia mikatona.
Ravalo tsy Manana