Maevatanàna – Mbola mitohy ny fitsaram-bahoaka
Na eo aza ny fanambaràna miezinezina nataon’ireo mpitondra fanjakana sy ny lehiben’ny mpitandro filaminana taorian’ireny fitsaram-bahoaka nisesisesy manerana ny Nosy ireny dia mbola nitohy indray izany tao Maevatanàna. Lehilahy iray vao avy nanafika mpitrandraka volamena no nifanenjehan’ny fokonolona tany Madiofitana, Kaominina Tsiafabositra ao anatin’ny distrikan’i Maevatanàna. Mbola nanohitra ity farany ka izany no vao mainka nampirehitra ny hatezeran’ny fokonolona. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ity jiolahy ity. Mpirahavavy avy nitrandraka volamena tany Bekorobo handeha hody any Marotaolana no nifanena tamin’ity jiolahy iray ity izay nirongo fiadiana. Nosakanany ary nampitahoriny tamin’ny antsy lava lela izy ireo raha ny loharanom-baovao. Nihorohoro tanteraka ireto voatafika nanoloana izany, tsy mba afaka nanohitra fa tonga dia nanome mora foana ny volamena niaraka tamin’ny vola rehetra teny amin’izy ireo. Rojo volamena milanja 5g, kavina volamena roa, vovo-bolamena nisy efa ho 10g ary vola 13 000 ariary no azony ka avy hatrany ity jiolahy dia nandositra rehefa azony izany nilainy. Teo vao afaka niantso vonjy ireto lasibatra ka raikitra ny fanenjehana. Tsy nandingana teo amin’ny 50 metatra nisehoan’ilay fanafihana akory anefa dia tratran’ny fokonolona ka izao namoy aina izao.
Safidy Andrianina