Lehilahy nisy namono tao Ilakaka – Nesorina ny hodi-dohany, karana sisa tavela
Efa ho isan’andro vaky izao dia ahitana fatin’olona etsy sy eroa. Mbola maro ireo tsy mataho-tody fa sahy mamono ny mpiray tanindrazana aminy. Very ny kolontsaina malagasy satria raha tokony hifanampy sy hifamelona dia nanjary lasa mifamotika sy tsy mifampitsinjo. Asa raha ny toetra ratsin’ny fitondrana amin’izao izay tsy miraharaha ny vahoaka madinika no mahatonga ny Malagasy nanjary manaotao foana tahaka izao.
Famonoana olona miharo habibiana indray no niseho tao Ilakaka ny alarobia lasa teo. Tsy mampino hoe olombelona ve no nahavita izany satria dia nendahin’ireo namono azy ny hodi-dohany sy ny tarehin’ity lehilahy izay hita faty teo amoron’iny lalam-pirenena faha-7, anoloan’ny restaurant Thailandias taloha iny. Raha ny vaovao azo dia mbola nanao akanjo soa aman-tsara izy tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Ny nahagaga ny maro anefa dia efa karan-doha sisa no tavela ary tsy hita ihany koa ny taolan-tendany. Raha ny fandinihana izao habibiana izao dia novonoina tany amin’ny toeran-kafa izy io alohan’ny nametrahana azy teo. Rehefa nahare ny vaovao ireo mpitandro filaminana dia nidina an-tsehatra avy hatrany ary teo no nikarohana ny mombamomba azy. Tsy nisy intsony mantsy ny nahafantarana azy. Taorian’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa hanao mpamily ny anton-dian’io rangahy io ao Ilakaka, raha tonga avy any Ambovombe Androy ny 17 janoary teo izy. Indrinsy anefa fa mety nifanena tamin’ny tsy mataho-tody izy ary izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana rehetra.
Ra Tax.