Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Mpangalatra finday matin’ny fitsaram-bahoaka

Saika ho isan’andro izay dia tsy maintsy misy foana ny olon-dratsy matin’ny fitsaram-bahoaka eto Madagasikara. Vao tamin’ny alarobia lasa teo tany Toamasina dia tovolahy iray nanendaka finday an’ny mpianatra iray ao Ambolomadinika no nifanenjehan’ny fokonolona. Atsasa-kadiny taorian’ny fanenjehana dia tratra ity tovolahy izay vao 20 taona monja ka teny an-dalana hoentina any amin’ny polisy ao Bazarikely no nitombo isa hatrany ireo nitaky fitsaram-bahoaka. Vokany, tsy tonga teny amin’ny biraon’ny polisy fa teo Béryl Rose dia maty niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay tovolahy mpanendaka.

S.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre