Antsirabe – Lehilahy maty nilatsahan’ny andrin-jiro
Nandravarava ny rivotra sy ny rotsak’orana tao Antsirabe. Andrin-jiro efa mitondra herinaratra manana tanjaka hatrany amin’ny 20 000W no nianjera. Vokany, olona iray no maty nianjeran’ny iray tamin’ireo fitaovan’ny Jirama ireo rehefa izy teny ambony kamiao iny raha iny nihazo ny lalam-pirenena fahafito iny tao amin’ny Fokontany Andranonahoatra Kaominina Ambonivohitra Antsirabe voalohany. Araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza dia nianjera avy eny ambonin’ilay kamiao nianjeran’ny andrin-jiro izy. Soa aloha fa tapaka ny herinaratra tamin’izay fotoana izay fa raha tsy izany dia mety ho maro ny zavatra may. Ity lehilahy maty ity dia saika hanala ilay tarobia nilatsaka tao ambony ny kamiaony ka dia teo ampisintomana iny indrindra izy no nianjara tany aminy ilay andrin-jiro. Ny lohany no nitotontona voalohany tamin’ny tany ka nijininika ny ra. Nentina tany amin’ny hôpitaly, izay miala tokony ho 5 km ny toerana nitrangan’ny loza izy. Omaly no nindaosin’ny fahafatesana io lehilahy io rehefa nialana nenina tao amin’ny toeram-pitsaboana. Raha ny zava-nitranga dia tsy ampy ny fanaraha-mason’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Jirama mikasika ireny andrin-jiro ireny. Maro amin’ireo andrin-jiro ireo mantsy no efa antitra ary efa nijoro teo nandritra ny taona maro. Vao tsy ela akory izay talohan’izao no nisy andrin-jiro tapaka teo amin’io Fokontany Andranonahoatra io ihany ary ny sabotsy teo indray rehefa nisy orana narahina tafiotra dia andrin-jiro efatra hafa indray no niongotra hatramin’ny fotony ka izao nahitan-doza izao.
S.A.

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny