Vous êtes ici :

Mardi 24 Décembre 2024

ombre

Akon’ny fetim-pirenena an-drenivohitra – Olona efatra namoy ny ainy

Betsaka ireo namoy ny ainy nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teto an-drenivohitra. Olona efatra no maty tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana ka ny iray tamin’izany teny amin’iny lalana digy iny. 193 ny olona niditra hopitaly ka ny 140 tamin’izany dia tao amin’ny vonjy aina ary ny sivy dia mamo toaka, araka ny antontan’isa izay navoakan’ny hopitaly Hjra.

Etsy ankilany kosa dia nahatratra 24 ny fitambaran’ny olona nandraisan’ireo mpitandro filaminana fepetra. Ny valo tamin’ireo dia olona mamo, valo hafa mpanendaka gaigilahy, olona efatra tratra niady raha toa ka olona iray nosamborina fa nanimba fananan’olona.

Nisy ihany koa andian-jatovo izay nosamborina ny alin’ny 25 jona teny amin’iny faritra Ankadidramamy iny. Ireto farany izay nisy nanakarama 10 000 ariary mba hanakorontana ny manodidina iny faritra iny, araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo. Ankizy iray no naratra mafy nandritra ny fisamborana azy ireto.  Olona roa hafa nampiahiahy kosa no nahatrarana baomba vita tanana miisa telo, izay « déclencheur » ny iray ary fitaovana mahasolo vato aratra roa teny Namontana ny andron’ny 26 jona.  Basy poleta miisa efatra kosa no tratran’ny mpitandro ny filaminana roa herinandro tsy ahatongavan’ny fety.

 Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre