Vous êtes ici :

Lundi 23 Décembre 2024

ombre

Miarinarivo – Renim-pianakaviana mandre feo miantso

Adalana ve sa misy devoly fa vehivavy iray no milaza fa misy feo miantso foana izy isaky ny alina ary mampirisika azy hanao zavatra hafahafa izany.

Tany Miarinarivo no nitrangan’izany ny alin’ny zoma 26 jona teo. Vehivavy 24 taona, manan-janaka telo no hitrangan’izany isan’andro. Isaky ny matory amin’ny alina dia matetika antsoin’io zavatra tsy fantatra io foana izy mba hivoaka ny trano. Misy fotoana dia tena mivoaka mihitsy izy ary mandeha fa tazan’ny ao an-trano foana ka tsy lasa lavitra fa miverina avy hatrany.

Fa tamin’ity indray mitoraka ity dia nasain’ilay feo hamono tena mihitsy ilay renim-pianakaviana. Araka ny fantatra dia nirahan’ilay feo hafahafa nanatsatoka antsy ny fony izy ka tena notanterahany izany saingy tsy nahafaty azy.  Efa izy nikiakiaka mafy be no nahataitra ny havany. Rehefa nojerena dia tratra teo aminy ilay antsy sady feno rà be ny tratrany. Rehefa nanontaniana an’ity fehitsika nataon’ity ilay vehivavy dia nitantara an’io feo hafahafa tsy hay hoe avy aiza ity niantso azy izay naniraka azy hamono tena.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre