Vous êtes ici :

Lundi 23 Décembre 2024

ombre

Antsirabe – Vehivavy iray maty nazeran’ny môtô

Ny 25 jona tamin’ny 3ora tolakandro teo no nisehoan’izany teo Andranonahoatra, ao an-tampon-tananan’Antsirabe.

Mpivady handeha hody any Ibity no nazeran’ny môtô, ka maty namoy ny ainy tamin’izany ilay renim-pianakaviana. Nandeha mora ihany ity môtô ity araka ny filazan’ny olona fa nigorisa tampoka rehefa tonga teo amin’ny fiolalana manakaiky ny fiantsonan’ny taksibe izay mampitohy Andranonahoatra sy Antsirabe.  Nidona tamin’ny rindrin-tany ary latsaka tao anaty lakan-drano ilay ramatoa. Voadona mafy tamin’izany ihany koa ny lohany na dia nanao aro loha aza izy.  Tsy vitan’izay fa mbola voatsindrin’ilay môtô ny vatany manontolo, raha toa ka kiaka noho ny fikorisana tamin’ny arabe ny tanany sy tongotr’ilay lehilahy vadiny. Noho ny dona mafy nahazo azy ireo dia samy tsy nahatsiaro tena izy mivady. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly izy ireo. Saingy namoy ny ainy ny marain’ny 26 jona teo ilay ramatoa rehefa avy niala nenina tao amin’ny efitrano fameloman’aina.  Tamin’ny fanadihadiana natao an’ilay lehilahy dia fanina noho ny fiakaran’ny tosi-dràny tampoka no nahatonga ny loza.

 Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre