Vous êtes ici :

Lundi 23 Décembre 2024

ombre

Antalaha – Ramatoa naratra mafy nodarohan’ny jiolahy

Ny andron’ny zoma teo no nitrangan’izany vono olona miampy fanendahana tany ambanivohitr’i Ampohibe ao anatin’ny distrikan’i Antalaha. Ramatoa iray nandeha irery no nosakanan’ny andian-jiolahy maromaro mitondra zava-maranitra tao amin’io toerana io. Miisa fito izy ireo no nanakana azy ka ny telo nijaridana teo alohany raha nijanona tao aorianany kosa ny efatra ambiny. Nandrahona an’ilay ramatoa avy hatrany izy ireo mba hanome ny firavaka izay teny aminy. Saingy nanda izany ity vehivavy ary mbola nanao vava be an’ireo tsy mataho-tody ka niafara tamin’ny fandratrana azy. Vao tsy nety nifandaharana mantsy ilay ramatoa dia novelesin’izy ireo hazo be. Tsy vitan’izay ihany koa fa mbola norasarasain’ireo jiolahy tamin’ny antsy ihany koa ny tarehiny. Lasa tamin’izany ny vola sy volamena teny aminy. Olona sendra nandalo no nahita an’ilay ramatoa naratra mafy ka nitondra azy avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana ao an-tampon-tananan’i Antalaha. Tsy misy ahiana ny ain’ilay ramatoa araka ny filazan’ny mpitsabo nandray an-tanàna azy.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre