Tapitra ny nofinofy !
Nifantoka tanteraka tao anaty fety aman-danonana tokoa ny Malagasy nandritra ny fankalazana ny faha-55 taona nitsengerenan’ny fahaleovan-tenam-pirenena. Samy nahazo ny anjara tandrifiny na dia ireo sokajiana ho fara hidiny sy tsy misy mpiahy aza satria nisy ny fizarana sakafo sy arendrina maimaim-poana avy amin’ny fitondram-panjakana sy ireo fikambanana mpanao asa soa samihafa. Hita fa samy niezaka ny rehetra mba ho tamim-pahamendrehana no niatrehana ny fetim-pirenena. Na ny mpanao politika aza dia samy nampangiana ny adilahy ka nametraka ny haja sahaza ity firenena.
Vita anefa iny ny fety sy ny fankalazana ary nifarana hatreo ihany koa ny fizarana zavatra maimaim-poana. Nahafaly ireo tsy misy atokona ary mendrim-piderana ny fizarana fanomezana sy fikarakarana fampisehoana maimaim-poana nefa karazan’ny nofy nandalo ihany ireny. Toy ny nanofy ramalagasy fa miaina ao anaty firenena tsy misy olana ary hanjakan’ny fahampiana sy ny fampandrosoana. Nahay nanararaotra rahateo ny mpitondra tamin’ny fitokanana foto-drafitr’asa tamin’ny faritra vitsivitsy teto Madagasikara. Raha ny teo amin’ny fikirakirana serasera avy amin’ny fitondram-panjakana no jerena dia tena miasa izy ireo ary mandroso be tsy misy toa azy i Madagasikara. Ny praiminisitra mihitsy no niteny fa mahatratra 94% mahery ny tahan’ny fahombiazana tao anatin’ny 100 andro farany. Nisy ihany koa aza minisitra sasantsasany nanambara fa mihoatra ny 200% ny asa vitan’izy ireo.
Hiditra herinandro vaovao anefa isika izao ary handia ihany koa ny volana jolay izay fahafito amin’ity taona ity. Manambara izany fa hisasaka tanteraka afaka andro vitsy ity taona 2015 ity. Mipetraka ihany ny fanontaniana hoe inona tokoa moa izany ny tena fiovana nitranga teto Madagasikara tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay? Inona avy ny foto-drafitr’asa goavana nitsangana sy tena nanamarika ny fampandrosoana ny firenena? Toy ny ahoana ny tahan’ny fihenan’ny vidim-piainana? Ahoana ihany koa ny tahan’ny fihenan’ny tsy fandriampahalemana? Santionany vitsy amin’ny maridrefin’ny tena asa fampandrosoana ireo ary ilana valiny mazava sy mahitsy avy amin’ny fitondram-panjakana.
Raha ny zava-misy iainan’ny vahoaka mantsy no jerena dia toa fihemorana no nisy satria tsy hita soritra mihitsy izany fiainana nihatsara izany. Tsy nitsaha-nisondrotra ny vidim-piainana ary miha-ratsy andro aman’alina ny fandriampahalemana. Tsy hita ihany koa izay foto-drafitr’asa vaovao natsangana fa ny teo ihany no namboamboarina. Nirehareha fatratra ny minisitry ny Asa vaventy fa vita hatramin’ny 80% ny lalana eto an-drenivohitra. Tsy zava-bita misongadina izany satria ny teo ihany no nopasopasohina. Raha ny tokony ho izy dia nanamboatra lalana vaovao ny fitondram-panjakana ankoatra ny fikolokoloana ny efa nisy.
Somary adinodino fa anisan’ny tena nitondra faisana tamin’izao fitondram-panjakana izany vahoakan’Antananarivo renivohitra. Niaina tanteraka tao anaty rano maloto, sy fako ary tsy fandriampahalemana. Herintaona sy tapany aty aorian’ny nijoroan’ny Repoblika fahefatra dia tsy vitan’ny mpitondra Fanjakana ny nandamina ny tsena sy ny fifamoivoizana ary ny ady amin’ny mpanendaka. Andraikitry ny fitondrana foibe izany satria izy ireo no nametraka delegasiona manokana hitantana ny tanàna. Hatreto aloha dia korontana no mameno ny tsena sy ny araben’Antananarivo. Tsy mahomby ny fitantanana! Azo lazaina ho tena tsy miraika amin’ity renivohitra ity mihitsy ny mpitondra ankehitriny. Porofon’izany ny tsy nanoloran’ny antoko HVM izay akaiky ny fitondrana kandida hirotsaka be’ny tanàna sy mpanolo-tsaina eto Iarivo. Fantatr’izy ireo fa tsy mamim-bahoaka izy dia naleony tsy nirotsaka sao ho afa-baraka. Izany toe-javatra izany anefa tsy natao hanasaziana ny mponina eto an-drenivohitra ka hanapotehana ny tanàna. Mety havanana amin’ny fanazavana ara-teknika sy ny fanadiovan-tena ireo tompon’andrikitra eo anivon’ny tananan’Antananarivo saingy raha ny zava-misy aloha dia hita fa nihemotra lavitra ny renivohitra raha oharina tamin’ny 10 taona lasa. Nofinofy fotsiny ny fampanantenana nataon’ireo mpitondra ary resaka ambony latabatra fa raha ny fanatanterahana izany dia tsy misy. Mety ho nofinofy fotsiny ihany koa anefa ny fanantenan’ireo mpitondra fa hilamina miaraka amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny zava-drehetra! Dia samy hanofinofy eto izany ny rehetra. Enga anie ka tsy hiafara amin’ny nofy ratsy izany!
Ravalo tsy Manana