Jiolahy nanakan-dalana – Maty nohitsahan’ny mpamily fiara
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra. Izany no zavatra nitranga tamin’ireto jiolahy ny marainan’ny alakamisy lasa teo, tamin’ny 3ora tany ho any, amin’iny lalana hiditra an’ Ambondromamy iny.
Raha tora-bato sy fametrahana hazo be eo am-povoan-dalana no fantatra fa ampiasain’ireo jiolahy rehefa misakana fiara dia ny vatan-tenany mihitsy no nataony fandrika tamin’ity indray mitoraka ity, nihevitra ilay saofera tsy sahy hanitsaka azy. Vokany, jiolahy nikasa nanakan-dalana no maty nohitsahin’ilay mpamily.
Araka ny fantatra dia nidina teny am-povoan-dalana ilay jiolahy raha vao nahatsikaritra ny fahatongavan’ilay fiara avy lavitra. Vao nahita an’izany anefa ilay mpamily dia ny nampaneno ny
« klaxonne » sy nampirehitra « phare » fa vao maika ity farany nanatsotra ny tanany roa sady nanao fihetsika mitsanga-mipetraka teny am-povoan-dalana teny. Nahatonga saina ilay mpamily izany fihetsika izany ka tsy nijanonana mihitsy izy ary vao maika nampiakatra ny hafainganam-pandehany. Tsy naha rotitra an’ilay olona anefa izany fa ny tanany ihany no natsotrany sady nahetsiketsiny.
Notetezin’ny fiara avy hatrany ilay lehilahy. Niditra teo amin’ny valahany ary voahitsaka ny kodiarana aoriana ka maty potipotika tsy nisy noraisina ity farany. Tavela teo amin’ilay fitaratra teo aloha mihitsy ny molotro ity lehilahy ity, araka ny fantatra.
« Raha hiala azy izahay dia tsy maintsy hivadika ilay fiara satria efa mandeha any amin’ny 80 kilaometatra any ny hafainganam-pandeha », hoy ny loharanom-baovao.
Laurena Nany