Vous êtes ici :

Jeudi 09 Janvier 2025

ombre

Mpivady mamaky trano – Naiditra vonjimaika eny Antanimora

Taorian’ny fitsarana azy mivady ny sabotsy 27 jona lasa teo dia nampidirin’ny fitsarana vonjimaika eny Antanimora izy roa mandra-piandrasana ny fitsarana manaraka.

Ireo mpivady ireo, ny lehilahy 31 taona ary ilay ramatoa vadiny 21 taona, tompon’antoka tamin’ny famakiana trano ny mpifanolobodirindrina in-telo misesy teny Antsalovana Antohomadinika. Very tamin’izany ny radio marika « Sony quatre baffles », « lecteur vidéo » miisa efatra, fahitalavitra miisa roa. Tao ihany koa ny kojakoja tokantrano maro samihafa toy ny vilia, vera, bodofotsy. Tsy nanano sarotra azy ireo ny namaky ireo trano ireo satria araka ny fantatra dia manana rohi-pihavanana amin’ilay lehilahy ireo lasibatra ka fantany tsara ny mombamomba ireo trano. Araka ny vaovao voaray dia ny alin’ny alakamisy 11 jona no nanatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny voalohany, ny 15 jona ny faharoa ary ny alarobia 24 jona teo ny fahatelo.

Nametraka fitoriana avy hatrany ilay niharam-boina raha vao nahatsikaratra ny fahavakisanan’ny trano ny alakamisy 25 jona. Nandray ny andraikiny ireo polisy ary ireo vaky trano kosa niezaka nikaroka ireo entana very teny amin’ireny toerana fivarotana entana halatra. Nandritra ny fikarohana dia nisy olona nampilaza ny tompon-trano amin’ny fisian’olona mampiahiahy mitondra entana  amin’ny gony. Rehefa narahina avy teny Isotry hatrany La reunion kely dia sarona ireo entana ireo ka nosamborina ilay ramatoa mpivarotra. Tamin’ny fanadihadiana natao taminy no nanondroiny ireo mpivady voalaza etsy ambony ka ny sabotsy teo no voasambotra ireto farany teny Anosibe, tamin’ny 5ora maraina. Niaiky ny heloka vitany izy ireo tamin’ny famotorana natao azy mivady.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre