Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

Betroka – Tsy sahy mifanandrina amin’ny tena dahalo ireo niova fo

Manao andiany manafika ireo dahalo ao amin’ny fokontany Bema, kaominina Kelivaho, distrikan’i Betroka. Mitazam-potsiny anefa ny mpitandro filaminana fa mitavandra ireo dahalo niova fo. Etsy ankilany anefa, tsy sahy mifanehitra amin’ireo dahalo manafika izy ireo. Fantatra koa fa mbola miriaria any Revato sy Rebary, dahalo rain-dahiny na dia efa natoro aza ny toerana hiafenan’izy ireo.

Noho izany dia vonona hiaro tena  ireo fokonolona Zafindravala ao Bema, tsy hiandry ny zandary intsony fa vonona ny hanohitra ireo malaso, na hifampitifitra aza, araka ny loharanom-baovao.

 

Maherin’ny zato ny omby very

Nanomboka ny taona 2014 dia efa maherin’ny zato ny omby very raha ny vaovao voaray avy any an-toerana. Ny alin’ny 2 jona lasa teo dia dahalo 30 lahy nirongo basy roapolo no nanafika ny tananan’i Sakalaly ao amin’io fokontany voalaza io. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby miisa 60 ary naratra voatifitra ny tompon’omby. Ny 24 jona teo kosa indray dia miisa 20 ireo dahalo saika hanafika ny fokontany Bema afovoany. Niverin-dalana anefa izy ireo raha vao nahafantatra fa efa miandry ny fokonolona. Ny faran’ny herinandro teo dia ireo zaza amam-behivavy avy niantsena tao Anaviavy no nosakanan’ny olona dimy lahy mitam-basy ka lasa tamin’izany ireo entana novidiana toy ny lamba, sira, siramamy ary savony.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre