Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

Boeny – Havaozina ny drafitra hiarovana ny loza voajanahary

Na dia efa manana ny drafitra fiarovana ny loza voajanahary aza ny faritra Boeny dia misy ny fanavaozana isan-taona.

Notanterahina omaly talata ny atrik’asa fanavaozana amin’ity taona ity ary ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza voajanahary na BNGRC no tompo-marika amin’izany atrik’asa izany. Ny Ocha sy ny Unicef kosa no mpamatsy vola. Tsy ny loza voajanahary ihany io navaozina io fa ny loza hafa rehetra mety hitranga ihany koa.

Ny tanjona amin’ity atrik’asa ity ny hanamafisana ny traikefan’ireo mpisehatra amin’ny vonjy aina fa indrindra ny tsy hisian’ny faty olona amin’izany loza izany na farafaharatsiny misy fihenana. Atrik’asa izay nosokafan’ny lehiben’ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar tamin’ny fomba ofisialy. Nohamafisiny nandritra io fotoana io fa tokony ampiharina ireo zavatra izay tapaka fa tsy atao anaty boky fotsiny. Rahampitso alakamisy no hifarana ity atrik’asa ity ka amin’izany no hanavaona tatitra ny ezaka navoitra ny mpandray anjara rehetra.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre