Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

Ambatodrazaka – Taksi-môtô nohitsahin’ny kamiao

Ny alatsinainy 29 jona no nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Androva Avaratra ao Ambatodrazaka, tamin’ny 12 ora atoandro, teo akaikin’ny CAPJ.

Nivoaka tao amin’ny CAPJ mihitsy ity kamiao ity no nifandona tamin’ilay taksi-môtô izay tsy nahatana hisatra. Nifatratra tany amin’ny kodiarana aorian’ilay fiara vaventy ilay mpamily taksi-môtô ary tafatsofoka tany ambany fiara ilay môtô raha toa ka nipitika lavitra kosa ilay ankizy nentiny.

Voa mafy ilay mpamily ary nentina haingana teny amin’ny tobim-pahasalamana. Tsy misy ahiana kosa ny ainy araka ny mpitsabo nandray an-tanana azy.

Mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana ao an-tampon-tananan’i Ambatondrazaka ary ny tsy fitandremana no tena mahatonga izany. Eo ihany ny fidiran’ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka eny afovoan-dalana ka manelingelina ny fifamezivezen’ireo fiara sy môtô any an-toerana. Efa nisy ihany ny fanamafisana nataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny fitandroana ny fifamoivoizana fa mbola betsaka no tsy mitandrina araka ny nambaran’ny loharanom-baovao.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre