Asa fampihorohoroana
Sady efa tsy ampy sakafo ny Malagasy no mbola mihorohoro ihany koa amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Niaraha-nahita nandritra ny fitondrana tetezamita ny fampihorohoroana amin’ny baomba vita tanana teto an-drenivohitra. Tsy fantatra hatramin’ny farany mihitsy izay tena atidoha nikotrika ireny asa fanakorontanana ireny fa ny niaraha-nahita aloha dia tena nisy ilay izy. Maro no efa nanatri-maso, ary be ihany koa ireo naratra sy simba fananana. Nisy mihitsy no efa namoy ny ainy. Nitohy z Repoblika fahefatra izao ny fanapoahana baomba sy fanipazana grenady saingy tsy dia nahoraka be toy tamin’ny tetezamita izany.
Niova endrika ny fampihorohoroana ka tany amin’ny fanafihana mitam-piadiana indray no nahazo laka. Lasa mirongo basy mahery vaika ary manao andiany an-jatony maro ny dahalo ka sahy mamono mpitandro filaminana izay manao ny asa fampandriantany mihitsy. Ny ety an-drenivohitra indray dia nivadika ho kômandô ny jiolahy ka mitondra fitaovam-piadiana fampiasan’ny mpitandro filaminana. Volana vitsivitsy lasa izay aza dia kômandô tsara hofana avy eo anivon’ny zandary mihitsy no voasambotra tamin’ny fanafihana tany Toamasina.
Tato ho ato indray dia niova endrika ny fampihorohoroana satria misy andian’olona marobe midaroka ireo sendra tratra alina eto an-drenivohitra. Tsy manendaka izy ireny fa misotasota fotsiny ary maro no efa nitondra faisana sy naratra mafy. Nisy ny efa voasambotra ary tsy mbola fantatra mazava izay tena ao ambadika ity herisetra amin’ny endriny vaovao ity.
Samy manana ny fisehony ireo rehetra ireo fa ny mampitovy azy kosa dia ny fiantraikany any an-tsain’ny vahoaka malagasy. Mihorohoro ny vahoaka ary toa hita fa misy manao fanahy iniana hampiketraka ny malagasy izay efa sady milomano ao anaty fahantrana no mbola totofana tsy fandriampahalemana ihany koa.
Hatreto aloha dia tsy mbola tongan’ireo sokajian’ny firenena matanjaka ho asa fampihorohoroana iraisam-pirenena eto amintsika nefa kosa raha ny zava-misy dia tena tsy mifankaiza. Isan’andro lava izao dia ahenoana vono olona sy faty hita tetsy sy teroa. Izany hoe misy olona lian-drà vonona ny handripaka izay sendra azy mihitsy eto amintsika. Aiza ny fitondram-panjakana manoloana izany rehetra izany? Mba manao izay vitany ihany ny mpitandro filaminana ary tena misy ny vokatra azo saingy tsy manafoana ny asa fampihorohoroana sy ny herisetra izany. Toa vao maika aza miha-mitombo ny vono olona amin’ny fomba feno habibiana.
Ny mpitondra rahateo toa tsy mandray andraikitra na dia fankaherezana ny vahoaka tsy hanaiky lembenana fotsiny manoloana ny hetraketraka aza. Vao maika aza ny fihetsiky ny mpitondra toa mirona any amin’ny fandemen-tsaina ny malagasy amin’ny alalan’ny fampiasana ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ho hery famoretana. Izay sahy miteny sy mba mitaky ny zony mantsy dia toa miafara amin’ny fisamborana sy ny fanagadrana azy ireny hatrany ny raharaha. Maro teto no efa nitondra faisana tamin’ny valin-kafatry ny fitondram-panjakana. Sady tsy nisy valiny ny fitakiana no mbola nigadra sy afa-baraka ho mikonokonona asa fanakorontanana ihany koa. Raha tena mitsinjo ny vahoaka marina ity fitondram-panjakana ity dia manao laharam-pahamehana ny ady amin’ny fampihorohoroana sy ny tsy fandriampahalemana. Mila mamaky ady amin’ny olon-dratsy sy dahalo ary mamongotra izany hatramin’ny fotony ao anaty fotoana fohy ny Fanjakana fa tsy ny solombavambahoaka sy ny mpitarika sendika no andefasana mpitandro filaminana hisambotra sy hampiasa hery. Tsy lojikan’ny malagasy ary tsy ao anatin’ny raki-pohin’ny demokrasia mihitsy izany mampiasa hery amin’ny vahoaka izany. Ny dahalo, sy mpanendaka, ary mpaka an-keriny sy mpanao fanafihana mitam-piadiana no ampiasana mpitandro filaminana fa tsy ny sivily sy ny sendika. Koa anjaran’ny mpitondra no mampiseho amin’ny asa fanapahan-kevitra sy ny asa ataony hoe inona marina no laharam-pahamehana eo aminy. Hatreto aloha dia hita fa hanjakan’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara!
Ravalo tsy Manana