Vous êtes ici :

Vendredi 17 Janvier 2025

ombre

Voasambotra ny mpanao baomba

Ramiaramila sy mpanao volo no mpiray tsikombakomba

Nadoboky ny fitsarana eny Tsiafahy i R.J German na i Dàdà, 37 taona sy Olivier, 20 taona. Fanohitohinana ny filaminana anatin’ny Fanjakana, fikambanana andian-jiolahy ary fanamboarana baomba artizanaly no vesatra nanenjehana azy ireo. Ireto farany dia tratra nitondra fitaovana mampiahiahy teny Madera Namontana tamin’ny andron’ny 26 jona nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena.

Ireo fitaovana ireo dia ampahany amin’ny fitaovana ilaina amin’ny fanambaorana baomba artizanaly araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpanao fanadihadiana. Tamin’ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana azy ireo no nahitana « générateur, source d’énergie, fil conducteur » ary ny « interrupteur rhytmitic manual ». Ny fitambaran’ireo rehetra ireo no atao hoe « système de mise à feu », hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Mbola karohina kosa i Ramiaramila izay nanome azy ireo ireto fitaovana ireto sy ny mpanao volo iray eny Anosibe. Ity toeram-fanaovam-bolo ity no fantatra fa toerana saika hanamboarana ireo fitaovana ireo amina « charge » mba hahafeno azy ho baomba artizanaly. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo anefa dia mafy vava tsy mety milaza ny toerana misy io fanaovam-bolo io ireo olon-dratsy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre