Vous êtes ici :

Jeudi 14 Novembre 2024

ombre

Air Madagascar – Nametra-pialana i Henry Rabary Njaka ?

Nandeha be ny resaka fa efa nametra-pialana tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo ny mpikambana miisa 9 ao amin’ny filan-kevim-pitantanan’ny Air Madagascar, ka anisan’izany i Henry Rabary Njaka. Toa nanamafy io resaka niely io ny fanambaran’ny filoha Rajaonarimampianina mikasika ny mety ho fanovana ireo mpikambana ao amin’ity filan-kevi-pitantanana ity. Tsy mbola nisy filazana ofisialy aloha mikasika izany rehetra izany fa voalaza fa notazomina ho tsiambaratelo ary mbola tsy nanamafy ny mampitombina io ihany koa i Henry Rabary Njaka omaly. Voalazan’ny loharanom-baovao anefa fa miandry ny fanendrena ireo mpikambana vaovao ny fanambarana ofisialy ity fametraham-pialan’ny filohan’ny filankevim-pitantanana ity. Raha tena voamarina izany dia voavaly amin’ny ampahany ny fitakian’ny mpiasan’ny Air Madagascar ary miroso tsikelikely amin’ny fikaroham-bahaolana ny raharaha. Tsikelikely satria marobe ireo olona eo anivon’ny fitondram-panjakana no tokony hametra-pialana.

Radom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre