Fitoniana sandaina tombontsoa
Taorian’ny tsy fahombiazan’ny fanonganana ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra dia samy miantehitra amin’ilay satan’andraikitra ireo rehetra tafiditra amin’ny krizin’ny samy andrim-panjakana. Azo ambara anefa fa vahaolana vonjimaika ihany io satan’andraikitra io raha tena ho tanterahina tokoa satria hifantoka betsaka amin’ny marimaritra iraisana ahafahana mizara ny fahefana mba tsy hifampitsabaka sy hifamingana. Misy ireo teknisianina sy mpanao politika milaza fa ny fifampidinihina no vahaolana amin’izao fifandroritana misy eto amin’ny firenena izao. Sarotra anefa ny hanantenana vokatra amin’izany satria ny tanjon’ny fifampidinihina dia mifantoka amin’ny fizarana fahefana sy tombontsoa. Iaraha-mahita fa misy ireo efa tsara toerana sy manao ampihi-mamba ny fahefana ka tsy vonona ny hizara izany amin’ny hafa. Samy miaiky ihany koa ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna fa nisy ny fihatsarambelatsihy sy ny fivadihan-kevitra antenantenan-dalana. Izany hoe na dia tsy mbola nisy fifanarahana mazava notinapaka aza dia efa tsy mifampahatoky sahady ny fahefana roa tonta.
Hatreto aloha dia eo am-pelatanan’ny mpanao politika ny ho avin’i Madagasikara. Tsy hisy fitoniana eto raha tsy mifanaraka amin’ilay satan’andraikitra izy ireo. Fizarana tombontsoa io satan’andraikitra io satria ny mpanohitra mitaky ny toeran’ny praiminisitra, ary ny mpitondra kosa mitaky ny hanatsaharana ny tsikera sy ny fitakiana maro samihafa. Izany hoe raha tena omena ny mpanohitra tokoa ny toeran’ny praiminisitra dia atahorana tsy hisy olona hahazo hiteny intsony eto. Hadisoana goavana anefa izany satria rehefa tsy hiteny intsony ny mpanao politika satria samy misitraka ny tombontsoa ao anatin’ny fitondram-panjakana izy rehetra dia ny vahoaka indray no hiteny. Eo vao tena ho tapi-dalan-kaleha ny mpitondra fanjakana satria ny vahoaka tsy azo ampanginina amin’ny alalan’ny fikarakarana fivoriana sy fehin-kevitra hahazoan’olom-bitsy tombontsoa. Zavatra iray ihany no mampangina ny vahoaka dia ny asa fampandrosoana misy fiantrikany mivantana eo amin’ny fiainana. Sarotra inoana anefa ny hahatanterahan’izany ato anatin’ny fotoana fohy raha mbola io fitondram-panjakana marefo io no mijoro eo. Niaiky izany rahateo ny minisitry ny Atitany ary nilaza mihitsy fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fampandrosoana ny firenena. Adinon’ity minisitra ity fa ny filoha izay lehibeny dia nampanantena fampandrosona sy fiovana ao anatin’ny fotoana fohy ary tadidin’ny vahoaka tsara izany.
Fetsy ny fitondrana satria mampiasa ny mena miravivary mba hitazomany ny toerany na dia tsy mahomby aza. Ireo solombavambahoaka izay hany tokana ianteheran’ny vahoaka eny ifotony hiteny ny tsy mety sy hitaky ny nampanantenaina mihitsy no avilivily amin’ilay resaka satan’andraikitra. Omena ny toeran’ny praiminisitra anefa ireo solombavambahoaka mpanohitra dia hangina. Raha ny tena marina anefa dia tsy ny praiministra no olana tsy mampandroso ity firenena ity fa ny rafitra rehetra mijoro mihitsy. Porofon’izany ny fanoloana praiminisitra tamin’ny fiandohan’ny taona. Tsy nisy anefa vokatra azo tsapain-tanana nisongadina fa ny tatitra an-tsoratra no nipoapoaka. Tao anatin’ny enim-bolana izay nolazaina fa nahazoana vokatra 94 isan-jato dia tsy nitsaha-nitotongana ny fari-piainan’ny malagasy. Niakatra daholo ny vidin’entana, ny solika, ny jiro sy rano, ny vary sy ny mofo moa dia tsy resahina intsony. Manaporofo ireo fa tena tsy nahavita ny praiminisitra sy ny governemantany ary mila soloina saingy tsy izy ireo irery no tokony hiala fa ny rafi-pitantanana mihitsy no mila fanovana. Izany hoe miainga eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sy ireo olona ambony rehetra notendrena hisahana ny orinasam-panjakana izay mandalo krizy sy misavorovoro amin’izao fotoana izao.
Tsy vahaolana, noho izany, ny famolavolana satan’andraikitra izay tsy hanome vokatra afa-tsy ny fitoniana sandaina tombontsoa ho an’olom-bitsy satria hitohy ny tsy fahombiazan’ny rafitra efa mijoro.
Ravalo tsy Manana