Manalalondo-Arivonimamo Nodoran’ny dahalo ny tanàna
Nalaky niely ny afo noho ireo trano mitafo bozaka ny ankamaroany. Tsy nisy azon’ny mponina natao afa-tsy ny namonjy ny ain’ireo olona tao anaty trano. Ireo dahalo kosa nigalabona tsara nandroaka ny omby nivoaka ny tanàna.
Very toky tanteraka ny amin’ny asan-dahalo ny vahoaka fa tsy afaka manohy ny asa fivelomany intsony. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja dia fongana tanteraka ny tanànan’i Antaninandro ao amin’ny kaominina Manalalondo, ao amin’ny distrikan’Arivonimamo. Nodoran’ireo dahalo io tanàna io rehefa avy norobainy ny faran’ny herinandro teo. Kila forehitra avokoa ny fananan’ireo mponina ao an-toerana. Araka ny fantatra, 98 isan-jaton’izy ireo dia mivelona amin’ny asa fiompiona sy ny fambolena anefa izao nanjavona ao anatin’ny indray mipi-maso izao. Tamin’ny fandalovan’ireo dahalo tao Antaninandro dia maherin’ny folo ny omby norobain’izy ireo. Mbola namono ny afo aloha vao nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona. Fantatra fa niditra anaty kirihitr’ala ireo dahalo ka niverina avy hatrany ireto mpanara-dia fa natahotra.
Laurena Nany