Vous êtes ici :

Vendredi 20 Septembre 2024

ombre

Moto mampidi-doza – Olona 5 maty 3 naratra mafy

Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa tao an-tampon-tananan’i Mahajanga ny faran’ny herinandro teo. Olona dimy no namoy ny ainy nandritra izany ary telo hafa kosa naratra mafy.

Ny zoma alina hifoha sabotsy no nisehoan’ny loza mahatsiravina voalohany teny amin’ny kianja mitafo Tsaramandroso. Olona 4 no indray maty tamin’ny fifandonan’ny fiara BMW tamin’ny môtô. Araka ny fantatra dia olona nanao taingin-telo tamin’ny môtô no niara-maty tamin’io loza io. Nisy iray mpandeha an-tongotra ihany koa maty tamin’izany. Ny alahady indray dia lehilahy iray hafa maty voadonan’ny môtô teny amin’ny fiantsonanan’ny taksiborosy. Fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka tsy tafajanona ilay môtô. Roalahy izy ireto no indray nofaohan’ilay kodiaran-droa fa ny iray hafa tapa-tongotra, raha toa ka maty ny iray.

Mbola ny alahady teo ihany dia roa vavy indray no naratra mafy nitondra môtô. Saika ho any amin’ny “petite plage” izy ireto no nodomin’ny fiara teny amin’ny “Mazava Huile”. Vokatry ny dona mafy nahazo ny iray tamin’izy ireo dia nampidirina avy hatrany any amin’ny hopitaly ao amin’ny sampana fameloman’aina. Mbola karohina kosa ilay mpamily amin’izao fotoana izao rehefa nitsoaka raha avy nandona azy roa vavy.

 Laurena Nany

 

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre