Vous êtes ici :

Jeudi 19 Septembre 2024

ombre

Toamasina – Mpivaro-tena niharan’ny fanolanana faobe

Omaly maraina be tokony tamin’ny 3ora no nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Ambolomadinika ao Toamasina. Mpivaro-tena hamonjy fodiana no nosakanan’ny andiana tovolahy tamin’ny kihon-dalana hiditra amin’ny toerana misy ny trano fonenany. Miisa telo izy ireo ary avy hatrany dia nambanan’izy ireto antsy ilay vehivavy sady notakiany vola.

Tsy nitondra vola nody anefa ity tovovavy ity. Nitsotra tamin’ny tahotra izy fa tsy manana vola fa vonona kosa hanaraka ny sitrapon’ireo olon-dratsy raha tsy misy ny fikasihan-tanana. Noraisin’ireo jiolahy ara-bakiteny anefa izany teniny izany ka noteren’izy ireo hanaraka azy ireo ilay mpampanofa vatana. Rehefa tonga tamin’ny toerana fierena ireo dia nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny ka nanaovan’ireo firaisana ara-nofo tambabe. Navotsotr’izy telo rehefa vita izay nilana azy. Tamin’ny fitantaran’ilay lasibatra dia tadidiny tsara ny iray amin’ireo jiolahy raha sendra azy.

Manoloana ny asa fanendahana miseho lany ao amin’io fokontany io dia lasa faritra mena ny lalana Ambolomadinika amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia raim-pianakaviana iray no lasibatry ny olon-dratsy amin’ny andro antoandro sy be olona ny faran’ny herinandro teo.

 Laurena Nany

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre