Vous êtes ici :

Vendredi 20 Septembre 2024

ombre

Toliara – Mpivarotra rongony iray ikoizana, sarona niaraka tamin’ny rongony 20 kg saika amidiny Ar 2 hetsy

Miparitaka ny zava-mahadomelina amin’izao. Mirongatra ny asa ratsy. Raim-pianakaviana iray 30 taona, manan-janaka efatra, monina ao Marofify izay mpivarotra rongony ikoizana ao Toliara no voasambotry ny polisy tao Sanfily niaraka tamin’ny rongony 20 kilao natao tao anaty valizy, ny alin’ny asabotsy teo, tamin’ny 8 ora. Raha ny fanazavana azo dia vao avy novidiny iray hetsy ariary ireto rongony tratra ireto ary saika amidiny roa hetsy ariary tamin’io andro io ihany.

 

Naverin’ny fitsarana !

Teo am-pandehanana  « cyclo-pousse » ity lehilahy mpibizina jamala malaza efa narahi-maso hatry ny ela ity no nahamahina ny mpitandro filaminana manao fisafoana amin’ny alina ny fihetsiny. Nosavaina ny entany ka sarona ireto zava-mahadomelina. Raha ny nambaran’ity lehilahy voasambotra rehefa nofotorana dia efa roa taona no nanaovany ny asa fivarotana sy fanaparitahana rongony. Afak’omaly ny tenany no natolotra ny fitsarana, saingy naverin’ireto farany any amin’ny mpitandro filaminana indray. Gaga amin’izao fihetsiky ny ao amin’ny fitsarana izao ny tompon’andraikitry ny polisy ao Toliara. Tsy ampy indray angaha ny vesatra iampangana ? Ao raha !

Eric Toliara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre