Vous êtes ici :

Vendredi 20 Septembre 2024

ombre

Fizarana tranon’ny mpianatra – Omena lanja ny manana fari-pahaizana ambony

Betsaka ny fangatahana vaovao voarain’ny oniversite an’ Antananarivo mahakasika ny fizarana tranon’ny mpianatra. Mahatratra 1365 ny fangatahana vaovao vaoray isaky ny faritra.  Ny  Faritra Vakinankaratra no  miisa betsaka indrindra izay mahatratra 272 ny mpianatra manao fangatahana ary ny Faritra Melaky no kely indrindra izay telo monja. Ho fizarana ireo fandriana izay miisa 608 anefa dia nanapa-kevitra ny Croua fa asiana fifandanjana ny fizarana trano. Taorian’ny fivoarian’ny filohan’ny oniversite niaraka tamin’ny Croua sy ny “Direction nationale des “œuvres sociales de l’universitaire” ny alatsinainy teo dia nisy ny mason-tsivana ilaina amin’ny fanabeazana natao ary tapaka nandritra izany fa omena lanja ireo manana fari-pahaizana ambony ary ireo manana fahasembanana ara-batana saingy mila miseho ireo milaza manana fahasembanana mba ahafahana manaporofo izany. Ireo namerina kilasy kosa tsy omena trano, araka ny fanazavan’ny filohan’ny oniversite Antananarivo. Fantatra fa mifanampy amin’ny Croua sy “Direction nationale des œuvres sociales de l’universitaire” ny Oniversite Ankatso mba handaminana sy hijerena ny fitantanana tsaratsara kokoa ny trano vaovao mba hialana amin’ny fivarotan’ireo mpianatra ny trano tahaka ny teo aloha. Izay nantsoina hoe fitantanana modely. Anio no fantatra fa hanomboka izany fizarana trano izany.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre