Vous êtes ici :

Vendredi 20 Septembre 2024

ombre

67ha – Mahazo vahana ny fanafihana fiara anaty fitohanana

Fiara roa no saika lasibatr’ireo olon-dratsy ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any teny amin’ny 67 ha, iny lalana makany Ampasika iny ao anatin’ny fitohanana. Miisa enin-dahy izy ireo no saika hanantanteraka ny fanafihana saingy efa mailo avokoa ireo lasibatra. Iray no mikapoka ilay fiara fa dimy lahy ambiny kosa miandry eny amin’ny sisin-dalana. Ary mikendry ireny olona mandeha irery amin’ny fiara ireny ry zalahy. Araka ny fitantaran’ny iray tamin’ireo lasibatra dia namoha ny varavaran’ny fiarakodia avy hatrany ny lehilahy iray manodidina ny 29 taona  raha nahatazana kitapo mainty tao anatin’ny fiara fa tsy nahavoa izany. Soa ihany ho ity farany fa nihidy tamin’irony « secret » irony ny varavaran’ilay fiara raha tsy izany dia tafatsofoka ilay lehilahy.

Rehefa tsy nahavoa azy ireo jiolahy dia nikasa handroba ilay fiara 4×4 teo alohany indray. Tsy tahotra tsy henatra ilay jiolahy mikapoka ny jiro aoriana avy ankavian’ilay fiara tsy mataho-dalana sady miondrika ity farany miafina no mitazana ilay mpamily izay nandeha irery ihany koa.  Ireo namany kosa etsy ampita efa miandry « top » fotsiny. Farany, nivoaka ilay mpamilin’ilay fiara efa mahafantatra tsara ny zava-misy nampitandrina an’ilay tovolahy. Nandamoaka noho izany ny fikasahan-dratsin’ireo jiolahy ireo.

« Saika nofaohako teo anelanelan’ilay fiara tsy mataho-dalana ilay tovolahy fa natahotra sao matin’ireo namany izay efa niandry fotsiny aho. Sady tsy afa-nitsoaka ao amin’ilay fitohanan-be » hoy ny filazan’ilay lasibatra.

Tsy vao izao fa saika isan’andro no misy olona lasibatra eny amin’io toerana io sy ny manodidina.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre