Vous êtes ici :

Vendredi 20 Septembre 2024

ombre

Ny tompony aza tsy tia !

Efa hatramin’ny nanombohan’ny nandraisany ny fahefana no niantehitra mafy amin’ny fanohanan’ny sehatra iraisam-pirenena ny mpitondra amin’izao Repoblika fahefatra izao. Tsy mahagaga raha laharam-pahamehan’ny filoha sy ireo mpiara-miasa aminy ny fivoahana any ivelan’i Madagasikara. Mety efa tsy voaisa intsony ny fandraisana anjara tamin’ny fivoriana sy fihaonana iraisam-pirenena hatramin’ny nandraisan’ny filoha Rajaonarimampianina ny fahefana nefa kosa tsy dia hita firy izay tena vokatra azo tamin’ireny. Toa mifampiankina sy mifanohana ihany anefa, saingy ambony latabatra fotsiny ny fitondrana ankehitriny sy ny sehatra iraisam-pirenena. Saika mitodika sy manamafy ny hevitra ijoroan’ny mpitondra malagasy fotsiny ny kabary sy fanambaran’ireo masoivoho vahiny manoloana ny raharaham-pirenena eto amintsika. Ny masoivoho frantsay irery no mba sahy nijoro sy nilaza ny tsy mety nataon’ny governemanta malagasy ka iny niaraha-nahita iny fa nataon’ny mpitondra izay handroahana azy an-kolaka.

Hatraiza anefa ny soa azo avy amin’ny fanohanan’ny sehatra iraisam-pirenena? Hatreto aloha dia tsy misy vokatra firy fa ny fihetsiketsehana no betsaka. Am-bava fotsiny no manohana ireo mpiara-miombon’antoka vahiny fa raha ny fanampiana mba ampandrosoana marina an’i Madagasikara dia zara raha-misy toy ny ivin-tsaka araka ny fomba fiteny. Ireharehan’ny mpitondra malagasy anefa izany fanohanan’ny vahiny izany. Tsy mihaino ny fitarainana sy ny antso vonjy ataon’ny malagasy izy ireo ary mifikitra mafy amin’ny hoe ny vahiny aza mahita fa efa mizotra ho amin’ny fandrosoana ny firenena.

Adinon’ireo mpitondra ilay fitenenana hoe “na ny tompony aza tsy tia”. I Madagasikara anie ka an’ny Malagasy e! Tsy adala akory ny vahoaka raha mimenomenona fa tena latsaka an-katerena ny firenena fa zavatra iainany andavan’andro izany. Ireo lazaina fa mpiara-miombon’antoka vahiny ireo mihitsy no tena anisan’ny fositra amin’izao fahasahiranana eto amin’ny firenena izao. Ireo mpamatsy vola ihany no mandrara ny Fanjakana tsy hiditra amin’ny resaka vidin-tsolika. Dia io iaraha-mahita io fa miakatra hatrany ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala ary miara-misondrotra amin’izany ihany koa ny vidim-piainana. Dia mbola ireo vahiny ihany koa no manery ny Fanjakana tsy hitsabaka amin’ny vidin’ny jiro sy ny rano ary ny fomba fitantanana sy fanarenana samihafa eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Santionany ireo fa raha ny tena zava-misy marina dia entin’ireo mpampanjana-bola vahiny amin’ny sangany ny firenena malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy mahavita miaro sy mijoro manohitra izany ireo mpitondra fa vao maika aza manasoaso sy manambitamby fatratra sao ialan’ireo firenena voalaza fa mpiara-miombon’antoka. Tsotra ny mahatonga izany satria ireto farany sisa no miaro mba tsy hirodana ny fitondram-panjakana ankehitriny.

Tsy manana ny fahatokisana sy ny fanohanan’ny vahoaka intsony ny mpitondra ary porofon’izany ireny nitranga teny amin’ny Antenimieram-pirenena ireny. Na ireo solombavambahoaka voalaza fa avy amin’ny antokon’ny fitondrana aza dia nandray anjara tamin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Midika izany fa efa tena halohalika ny ranom-bary ary efa tena feno ny kapoaka ka tsy azo navilivily tamin’ny fanambatambazana ara-bola sy tombontsoa hafa intsony ny maro an’isa tamin’ireo depiote. Ireto farany rahateo no mahafantatra tsara ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka satria midina mivantana eny ifotony fa tsy miandry tatitra diso fotsiny ny fanaon’ny fahefana mpanatanteraka. Diso hevitra noho izany ny mpitondra fanjakana ankehitriny raha miantehitra amin’ny fanohanan’ny vahiny fotsiny satria tsy an’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara fa an’ny Malagasy. Izany no mahatonga izao hetsika fanoherana sy fitakiana marobe mipoitra etsy sy eroa izao. Efa tsy tantin’ny vahoaka intsony ny  fahoriana mianjady sy ny fanaparam-pahefana mitranga amin’izy ireo. Koa raha ny tompony aza tsy tia, iza intsony no antenain’ny mpitondra hanohana azy?

 Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre