Vous êtes ici :

Vendredi 20 Septembre 2024

ombre

Toamasina -Hitokona ny mpiasan’ny kaominina

Tsy mitsaha-mitombo ny disadisa ao amin’ny lapan’ny tanànan’i Toamasina renivohitra. Vao tsy ela akory izay no nisian’ny fifandirana mikasika ny fanesorana ny sekretera jeneraly, Solofo Ginah, izay anisan’ny mpifaninana hilatsaka ho ben’ny tanàna dia tranga hafa indray ity no miseho. Fampiatoana amin’ny asany ny tale misahana ny maha olona na “DRH”, Tovo Razafindrainibe, indray no miteraka olana eo anivon’ny mpiasan’ny kaominina. Ity farany, izay nandray ny toerany ny 11 marsa lasa teo, natsahatra tamin’ny asany ny 17 jona lasa teo iny. Araka izany, olona akaiky ny fitondrana no nisolo toerana azy ny 17 jona io ihany. Manomboka teo no raikitra ny lonilony ao anatin’ity kaominina ity. Maro tamin’ny mpiasa mantsy no resy lahatra tamin’ny fahaiza-manao ity “DRH” teo aloha ity: toy ny fikarakarana ny mpiasa, tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny karama sy ny fanafainganana ny mpiasa an-tselika ho lasa mpiasa raikitra. Araka izany, ny andron’ny 7 jolay dia nisy ny fivoriamben’ny mpiasa natao teo anoloan’ny lapan’ny tanàna, notarihin’ity tale teo aloha ity, ka nivoitra tamin’izany ny tsy fankasitrahan’ny mpiasa ny tale vaovao nasolo azy. Noho izany dia nisy ny fanangonan-tsonia ho amin’ny fanoherana io fanendrena ny tale vaovao io. Mikonokonona sy manambana fitokonana ny mpiasa amin’izao fotoana izao, raha tsy miverina amin’ny fanapahan-keviny  ny tompon’andraikitra ara-panjakana nametraka io tale vaovao io.

ZOUZOUH Toamasina

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre