Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Toliara – Tratra ny mpanao basy

 Miparitaka ny fitaovam-piadiana amin’izao ka mampirongatra ny asa ratsy etsy sy eroa ary mandry andrin’antsy ny vahoaka. Voasambotry ny polisy afak’omaly hariva tamin’ny enina ora, rehefa nokarohina iray volana mahery ny lehilahy iray 38 taona, manan-janaka efatra izay mpanamboatra sy mpivarotra basy mahery vaika vita tanana, monina ao Andamasinina Toliara. Raha ny fanazavana azo dia tafaporitsaka tamin’ny fotoana nisamborana azy ny tolakandron’ny 28 mey ity mpibizina basy ity, raha voasambotra tamin’io andro io ny vadiny izay efa any am-ponja amin’izao fotoana izao.

 

Basy roa efa vita sarona

Tsiahivina fa taorian’ny fanomezam-baovao mari-pototra avy tamina olon-tsotra tsara sitrapo dia nosavain’ny mpitandro filaminana sy ny avy ao amin’ny fitsarana Toliara notarihan’ny lehiben’ny fampanoavana ny tranony. Basy roa efa vita no sarona niampy vodi-basy sy « canon » maromaro ary taratasy ara-panjakana efa vita fitomboka sy sonia. Basy P.A telo tratra teo am-panamboarana. Harifomba ny fitaovana ary ao anaty lakavy ambanin’ny trano fonenany ihany izay toerana mangina no hanamboarana ireo basy. Matihanina tanteraka e !

Eric Toliara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre