Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Jiolahy tany Brickaville – Tratra teo am-pividianana entana ho an’ny vadiny

Noraisim-potsiny i Telolahy Eugène antsoina ihany koa hoe Lahimy niaraka tamin’ireo namany telo rehefa tazan’ny olona tsara sitra-po nividy entana sy teo am-panisana vola be avy nangalariny tao Andovoranto Brickaville.

Ireto farany izay tompon’antoka tamin’ny fanafihana tranombarotra tao amin’ny toerana voalaza etsy ambony ny alin’ny 26 mey hifoha 27 mey lasa teo. Iray volana taorian’ny fitarainana nataon’ny lasibatra dia nisy nahatsikaritra ity jiolahy sy ramatoa vadiny nandritra ny fividianana entana maro be toy ny zava-maneno, fahitalavitra, vary amin’ny kitapo.

Nampandrosoan’izy mivady tao an-trano ity olona ity fa hoe hitokana ireo entana vaovao. Mody nanao mamo alohan’ny tompon-trano ilay ranamana ka nangataka fandriana hatoriana. Nandritra izay anefa dia nanisa ireo vola halatra izy mivady. Tsy nampoizin’ireo fa nifoha tampoka ity vahiny sady nilaza hoe « Manambola ianareo zany an! » Izy mivady kosa tsy rototra namaly hoe « Manaova lehilahy tahaka anay dia mahita vola be ary aza be resaka fa omenay anjara vola ianao. »

Nampilaza ny mpitandro filaminana avy hatrany ilay vahiny ka nosamborina i Lahimy sy Fara vadiny ary i Leso izay mpiray tsikombakomba tamin’izy mivady. Tamin’ny fisamborana dia nahatratrarana lelavola 23 000 ariary tany amin’izy ireo. Taorian’ny famotorana azy telo dia nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’ Ambalatavoahangy izy ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre