Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Adino ny demokrasia

Adino tanteraka ary lasa an-jorom-bala ny resaka demokrasia eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Saika mitodika any amin’ny resaka fifampidinihana sy ny fikatsahana marimaritra iraisana mantsy no vahaolana hitan’ireo mpanao politika hanavotana ny firenena. Tsy misy resaka mihitsy hatreto ny maha-zava-dehibe ny fanontaniana ny hevitry ny vahoaka amin’ny alalan’ny demokrasia. Efa miantomotra ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpikambana amin’ny filan-kevitra kaomininaly nefa toa mangatsiatsiaka ny fiomanana amin’izany. Na ny isan’ny mpifidy sy ny isan’ny birao fandatsaham-bato aza mbola manalasala ny mikasika azy. Toa tsy rototra amin’izany ny fitondram-panjakana fa variana amin’ny zavatra hafa. Izy ireo ihany anefa no manitrikitrika fa tsy maintsy raikitra amin’ny 31 jolay, izany hoe ny faran’ity volana ity ireo fifidianana ireo. Hatreto aloha dia tsy mbola hita soritra mihitsy ny mety hahatanterahan’izany.

Na ny fanentanana ny olona handatsa-bato aza toa mangingina sy tsy heno firy. Mangina toy izany ihany koa ny ankamaroan’ireo kandida an’arivony maro hirotsaka amin’ireo fifidianana ireo. Tsy mbola nisy fifidianana nangingina toy ity karakaraina amin’ny 31 jolay ity teto Madagasikara. Mahagaga ny zava-misy satria ny firehana politika rehetra dia samy handray anjara amin’io avokoa. Samy mipirimpirina anefa izy rehetra ary tsy dia misehoseho firy. Midika izany rehetra izany fa miahiahy ny amin’ny tsy hahatanterahan’ireo fifidianana ireo ny mpanao politika. Tsy te handany vola sy hampiseho ny tetikady handreseny izy ireo sao miala maina fotsiny raha tsy tanteraka tokoa ny fifidianana.

Ny fitondram-panjakana rahateo iaraha-mahita fa efa zatra miova hevitra amin’ny fotoana farany. Raha ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena tokoa no jerena dia tsy mety amin’ny fitondrana ankehitriny ny hanatanterahana fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 31 jolay. Tsotra ny anton’izany: voalohany dia sahirana ara-bola ny fitondrana ka tsy maintsy hamorona ny tsy misy raha te hikarakara fifidianana manara-penitra; faharoa kosa indray dia matahotra ny ho resy ka ho afa-baraka. Efa mari-pamantarana rahateo ireny zava-nitranga teny amin’ny Antenimieram-pirenena ireny. Tsy manana ny maro an’isa amin’ny solombavambahoaka ny mpitondra, ary matahotra ny tsy hahazo ny maro an’isa amin’ny ben’ny tanàna ihany koa. Mpandray anjara amin’ny fifidianana lehiben’ny faritra sy lehiben’ny faritany ary loholona nefa ireo ben’ny tanàna sy solombavam-bahoaka ireo. Izany hoe rehefa ho resy amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny antoko HVM dia mazava ho azy fa ho resy amin’ny fametrahana tompon’andraikitra rehetra eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ao ao amin’ny Antenimieran-doholona.

Mazava ho azy noho izany fa hampitombo ny fahalemen’ity fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ity ny fanatanterahana fifidianana ben’ny tanàna. Io antony iray io no mety ho anisan’ny tsy maha rototra azy ireo amin’ny fikarakarana. Zavatra roa no mety hitranga: voalohany dia ahemotra ny fifidianana manoloana ny savovoro misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ny faharoa kosa dia ho tanterahina ihany mba hanamorana ny fangalaram-bato ka hahazoan’ny kandidam-panjakana toerana marobe. Samy manosihosy ny demokrasia sy ny fanajana ny safidin’ny vahoaka malagasy ireo roa ireo raha toa ka izay tokoa no mitranga. Hatreto anefa dia sarotra ny hanantenana fa hahavita hikarakara fifidianana manara-penitra ao anatin’ny 20 andro ny fitondram-panjakana. Izy ireo rahateo sahirana amin’ny famahana ny krizin’ny samy andrim-panjakana, sy ny fitakiana miampy fitokonana etsy sy eroa.

Ny vahoaka no tena voa mafy amin’izany rehetra izany satria atao an-jorom-bala ary tsy asiana resaka mihitsy ny fihainoana ny heviny sy ny hetahetany. Io fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina io anefa izao no fomba akaiky indrindra hitarafana ny fironan-kevitry ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana demokratika. Efa mila miteny ny vahoaka ary mila maneho ny heviny ka raha sanatria tsy tontosa amin’ny tokony ho izy io fifidianana io dia ahiana ny hisian’ny fanehoan-kevi-bahoaka amin’ny fomba hafa.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre