Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

JK group – Nomena telo taona hamerenana ny volan’ireo mpanjifa

Mahatratra 500 any ho any ny olona niharan’ny fisolokiana nataon’ny orinasa Jk group raha tao Mahajanga fontsiny no asiana teny. Nametraka fitoriana teny amin’ny tambazotra miaro ny zon’ny mpanjifa  izy ireo raha vao nahatsikaritra fa fisolokiana ny fampanantenana nataon’ity orinasa ity.

Rehefa niakatra fampanoavana ny raharaha dia nomen’ny fitsarana ao Mahajanga telo taona hanefana ireo volan’olona ny Jk group. Tsy mbola nisy kosa ny didim-pitsarana nivoaka ahafahan’ireo olona lasibatra tamin’izany maka ny vola eny amin’ny banky. Misy anefa ny resaka mandeha any an-toerana fa misy ny olona efa nahazo ny volany. Anefa ireo olona voasoloky tany an-drenivohitra ihany io efa nahazo ny ampahan’ny anjara volany io, araka ny fantatra. Ny ao Mahajanga kosa mbola miandry ny fivoahan’ny didim-pitsarana mamoaka izany.

Raha tsiahivina dia nisy ny fanampanantenana solosaina ho an’ny rehetra nataon’ny orinasa Jk group mba ahafahan’ny olona fa indrindra ny mpianatra mampiasa ity solosaina ity amin’ny famandrihana ka nanomezana ampahan’ny vola sady aloa tsikelikely ao anatin’ny telo taona.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre