Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Ambatondrazaka – Mahazo vahana ny asa fisolokiana

Maro ny endrika fisolokiana miseho ao Ambatondrazaka ao amin’izao fotoana izao. Lasa fomba fiadin’ireo olon-dratsy any an-toerana izany na mivantana na amin’ny fanodikodinana vidin’entana na famitahana amin’ny alalan’ny fivadiham-pitokisana tsotra izao.

Efa betsaka ireo mitaraina fa lasibatr’izany asa ratsy izany. Araka ny fantatra dia tsy misy mahatsikaritra ireo olon-dratsy noho ny fahaizan’izy ireo mampiresaka. Ramatoa iray efa sendrany no nitantara ny nanjo azy.  Nambarany fa entana tao an-trano no nitadiavana mpividy ka nomena mpanera saingy ny entana lafo, ny vola tsy nisy azony ary ilay olona natokisana lasa nitsoaka.

Misy ihany koa ny fanaovana vary maitso izay mifono fanambakana hany ka miteraka olana anivon’ny fiaraha-monina. Ity fomba iray izay misambotra vola mandritra ny maitso ahitra ary averina avo roa heny rehefa miaka-bokatra anefa ambany dia ambany ny vidin’ny vary akotry ka lasa miteraka fifamaliana amin’ny roa tonta nanao fifanarahana rehefa miaka-bokatra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre