Vous êtes ici :

Dimanche 22 Septembre 2024

ombre

Môtô nodomina kamiao – Zazalahy 10 taona maty tsy tra-drano

Ny voalohan’ny herinandro teo no nisehoan’izany tao Manakambola, kaominina Ambatondrazaka. Zazalahy 10 taona maty tsy tra-drano ary lehilahy iray kosa naratra mafy rehefa notrongisin’ny fiara vaventy avy ao aoriana ny môtô nanao taingin-telo nisy azy. Nampidirina hopitaly avy hatrany ilay naratra, ity farany izay fantatra fa namily ilay kodiaran-droa.

Nandositra avy hatrany kosa ilay kamiao nahavanon-doza. Nifanenjahana ilay saofera fa tsy tratra mihitsy.  Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana dia nisy ny fanapaha-kevitra noraisina mba hanamafisana ny fitandroana ny fifamoivizana any an-toerana.

Araka izany dia hisy fanaraha-maso ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza mateti-piseho izay ateraky ny kodiaran-droa. Hisy ny toromarika omena azy ireo ary tsy handefitra amin’izay mandika lalàna ny mpitandro filaminana.

Raha tsiahivina, ny herinandro lasa tao Avaradrova dia nisy môtô hafa nanao taingin-droa no nifatratra tamin’ny fiara vaventy noho ny tsy fitandreman’ny mpamily izany môtô izany. Torana tsy nahatsiaro tena ity farany tamin’io lozam-pifamoivoizana io raha toa ka nipitika kosa ilay zaza nentiny.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre