Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Rongony 25 kg saron’ny mpitandro filaminana

Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitra-po dia tra-tehaka ny mpitandro filaminana ny rongony milanja 25 kilao tao an-tampon-tananan’i Mahajanga. Ny alarobia maraina tamin’ny 3ora tany ho any no saron’ny mpitandro filaminana ny tovolahy roa nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo teny amin’ny Terrain Mena. Saika handositrra ireo olon-dratsy vao nahatazana ireo mpanao fisafoana fa nalaky tratra. Nentina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny polisy izy ireo mba atao famotorana. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo dia fantatra fa avy any Ambalafamity ity rongony ity ary saika amidy ao an-tampon-tananan’i Mahajanga.  Ny andron’io ihany dia natolotra ny fampanoavana avy hatrany izy roalahy. Manoloana ny fiparitahan’ity zava-mahadomelina ity dia nanao antso avo ny mpitandro filaminana amin’ ireo mpamokatra, mpividy ary ireo mpidoroka an’ity jamala ity fa ho hentitra ny fandraisan’izy ireo andraikitra ary milaza ny tsy handefitra intsony fa hampiatra ny sazy avy hatrany. Fantatra fa ny fidorohana an’io ihany no mampirogatra ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Mbola mangataka ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo olona tsara sitra-po izy ireo mba hitohizan’izany satria samy tompon’andraikitra ny rehetra manoloana ny tsy fandriampahelemana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre