Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Raha ho faty aho, matesa rahavana !

Manomboka mihaino ny hetahetan’ny vahoaka sy mandray fanapahan-kevitra mifanandrify amin’izany ny filoha Rajaonarimampianina. Manaporofo izany ny fanesorana an’i Henry Rabary Njaka tsy ho talen’ny kabinetra ny fiadidiana ny Repoblika sy tsy ho filohan’ny filan-kevi-pitantanana ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar intsony. Inoana ihany koa fa toromarika avy any an-tampony no nahatonga ny fametraham-pialana faobe teo anivon’ity filan-kevi-pitantanana ity, niampy ny fialan’ny tale jeneralin’ny Air Madagascar. Rehefa niziriziry tamin’ny heviny nandritra n volana maro ary tsy laitra nifampiresahana ny fitondram-panjakana dia manomboka tonga saina ihany ankehitriny. Inoana fa hitondra vahaolana amin’ny ampahany manoloana ny savorovoro politika eto amin’ny firenena ankehitriny ireny fanovana olona ambony teto amin’ny firenena ireny. Ampahany satria tsy Henry Rabary Njaka irery no takian’ny vahoaka esorina sy soloina fa mbola maro izy ireo no miriaria ao anaty fitondram-panjakana sy eny anivon’ny fitantanana ireo orinasam-panjakana. Ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny antoko HVM no tena lasibatry ny tsikera sy ny fangatahana fanesorana amin’izao fotoana izao. Izany hoe efa nahavita dingana ny filoha amin’ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana saingy mbola fanombohana ihany ireny nataony ireny ary miandry ny tohiny ny vahoaka.

Tsy nisy misy mihitsy olona nanakiana ny fanesorana an’i Henry Rabary Njaka tamin’ny toerany, na ny vahoaka tsotra, ny mpanao politika avy amin’ny mpanohitra, eny hatramin’ny antoko HVM aza. Tsotra ny anton’izany: tandindomin-doza ny sezan’ny filoha Rajaonarimampianina raha mbola mitohy sy mihamafy izao savorovoro politika eto amin’ny firenena izao. Mampihena ny tsy fifanarahana ary mitodika any amin’ny fampiharana ny fitoniana ara-politika rahateo ny fanesorana izay heverina fa anisan’ny mahatonga ny tsy fitovian-kevitra eto amin’ny firenena. Nampiharin’ny filoha ara-bakiteny rahateo ilay fomba fiteny hoe :  « raha maty aho matesa rahavana » satria tena olona akaiky azy ity nesoriny nefa tsy maintsy nanao izany izy raha te hiaro ny sezany.

Araka ny efa voalazantsika etsy ambony dia tsy io talen’ny kabinetra io irery no heverina ho tsilo, mampandringa sy mamparefo ny fitondrana fa maromaro izy ireo. Izany hoe raha te hametraka ny fitoniana mari-toerana sy maharitra ny filoha dia tsy maintsy mitodika amin’ny fanadiovana faobe amin’ny alalan’ny fanoloana ireo rehetra heverina fa ratsy fifandraisana amin’ny vahoaka.

Ireo solombavambahoaka izay azo lazaina fa aro-riaka manoloana ny fihoaram-pefy mety ataon’ny fahefana mpanatanteraka rahateo dia efa nampandefitra ny hambom-pony ka nilaza fa vonona ny hiroso amin’ny fifampidinihina hametrahana ilay satan’andraikitra. Fa nolavin’ireo depiote izy io tany am-boalohany saingy nilefitra ihany izy ireo rehefa nahita fa izay no mety hamahana ny olana anatin’ny filaminana sy hisorohana ny mety hisian’ny korontana.

Miandry ny dingana manaraka ny vahoaka, noho izany, dia ny fanatanterahana ny satan’andraikitra sy ny fanovana ny governemanta iray manontolo. Io rahateo no fomba mahomby indrindra ahafahana manatanteraka ny fanesorana am-panajana ireo rehetra hita fa tsy nahomby teo anivon’ny fitondram-panjakana. Ahafahana ihany koa mametraka ny fiaraha-mitantana ny firenena sy hirosoana amin’ny tena fampandrosoana marina.

Ankasitrahan’ny rehetra noho izany ny fanapahan-kevitra noraisin’y fitondram-panjakana hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity saingy kosa tsy tokony hatsahatra hatreo fa tohizana hatramin’ny farany.  Ny filohan’ny Repoblika no hahazo tombontsoa voalohany amin’izany satria hivaha tsikelikely ny olana eto amin’ny firenena ary hisy ny fahamarinan-toerany eo anivon’ny fitondram-panjakana izay tantaniny. Efa nesoriny i Henry Rabary Njaka nefa mbola misy lisitra misy anaran’olona vitsivitsy tokony esorina ihany koa. Mijery gazety fotsiny dia fantatra ireo olona ireo. Miandry ny fanapahan-kevitry ny filoha ny rehetra noho izany. Tsara ny efa natomboka fa tohizo!

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre