Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Atrik’asa teknika – Nahazo fiofanana ireo mpikirakira fitaovana fampangatsiahana

Ity atrik’asa ity dia natao ho an’ireo tanora izay misahana ny fikirakirana ny vata fampangatsiahana. Atrik’asa teknika iarahana miombon’antoka amin’ny Tranoben’ny Asa Don Bosco ao Mahajanga. Nosafidiana manokana hahazo an’io fiofanana io ireo tanora ao an-toerana mba ahafahan’izy ireo miditra sahady eo anivon’ny sehatry ny asa. Tsy natao ho an’ireo efa  anivon’ny sehatry ny asa ihany mantsy ity fiofanana ity fa ho an’ireo mbola mianatra, na eny amin’ny orinasa miankina na tsy miankina izay manao io sampam-pampianarana « Froid » sy ny « Climatisation » ao Mahajanga.  Nasiana izany fampiofanana izany mba ahafahana mahafantatra ny lesoka mbola iainan’ireo tanora raha tafiditra any amin’ny sehatry ny fianarana asa, manampy indrindra ihany koa ho an’ilay orinasa izay angatahin’ny sekoly hanaovany fampianarana asa amin’ny famolavolana ireo tanora izay ho raisin’ny orinasa. Matetika dia miteraka olana ho an’ireo orinasa mandray ireo tanora ny tsy fananan’izy ireo traikefa entina miasa noho ny tsy fahampian’ny fampianarana an-tsekoly. Andrasana noho izany ny fampiaran’ireo tanora ny traikefa azony mba hisian’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa sy ny sekoly aorian’izao atrik’asa izao.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre