Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Tsy mbola tafavoaka ny ala !

Efa manomboka misy fiovana ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Tsapa fa efa miha-mafana ny andro raha noharina tamin’ny volana lasa. Tena mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tanteraka anefa ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Hita fa misy fiantraikany eto amintsika ny fiovaovan’ny toetr’andro satria mbetika tena mafana be nefa andro ririnina. Toa manaraka izany ihany koa ny toe-draharaha politika satria tsy mety midina mihitsy ny maripana. Tonga tamin’ny faratampony ary efa im-betsaka izany no saika nirehitra mihitsy hatramin’ny fiandohan’ity taona ity. Tamin’iny herinandro lasa iny dia saika niafara tamin’ny firodanan’ny governemanta. Efa ampy traikefa amin’ny famonoana afo anefa ity farany ka tafajanona tamin’ny toerany ihany. Ny vola rahateo misy ary tena mahomby tanteraka amin’ny famonoana ny afo natsangan’ny solombavam-bahoaka.Tsy vao indray mandeha na indroa no nandrenesana fampiasana vola teo anivon’ny solombavambahoaka sy ny governemanta fa efa imbetsaka. Na dia efa nilaza ny hanokatra fanadihadiana misahana izany aza ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly dia tsy hita izay tena vokany hatreto. Ny Bianco rahateo dia hita fa tsy mahomby mihitsy amin’ny asa nampiandraiketina azy. Lasa mifantoka betsaka amin’ny fanentanana tsy ahitam-bokany fotsiny ity sampan-draharahaha iray ity fa tsy tonga any amin’ny fanasaziana ireo mpanao kolikoly, indrindra fa ny avo lenta.
Tsy mahagaga raha mitsefotra avokoa ny hetsika rehetra ataon’ny solombavambahoaka satria mety misy kolikoly avo lenta any ho any. Na tsy nahomby aza anefa ireo depiote dia tsy midika velively izany fa milamina ny raharaha ary afaka mitsotsotra tsy amin’ahiahy ny governemanta. Mbola eo am-piketrehana ny fandravana ny governemanta amin’ny fomba hafa indray ireo solombavambahoaka ankehitriny.Ny fandrafetana ilay satan’andraikitra izay mamaritra mazava fa ny maro an’isa eo amin’ny Antenimieram-pirenena no manolotra ny praiminisitra no dingana manaraka ataon’ireto farany. Mazava ho azy fa raha ho tanterahina io satan’andraikitra io dia tsy maintsy hiroso amin’ny fandravana ny governemanta ny filohan’ny Repoblika. Izany hoe hiongana ihany ny fahefana mpanatanteraka na dia afa-niala tamin’ny fitsipaham-pitokisana aza. Raha tsy hanaiky ny hanoloana ny praiminisitra anefa ny filoham-pirenena dia ahiana hitohy ny krizin’ny samy andrim-panjakana. Ireo sendika sy fikambanana maro samihafa etsy an-kilany efa mikonokonona hetsika sy fitokonana. Tsy mbola milamina akory ny eo anivon’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany sy ny an’ny mpiasan’ny Air Madagascar dia efa nanambara ny hanao fitokonana lehibe tsy misy fiafarany ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka. Manampy azy ireo anefa dia efa misy sendika maherin’ny 50 isa miomankomana ny hanao hetsika manohitra ny tsy fanajana ny zo sendikaly izay nataon’ny fanjakana amin’ny mpiasan’ny Air Madagasikara sy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany amin’izao fotoana izao. Ankoatra ireo dia ahiana hipoaka amin’ny fotoana tampoka ihany koa ny fiakaran’ny saran-dalana eo amin’ny mpitatitra. Hadinon’ny fanjakana mantsy fa tsy ny mpitatitra an-drenivohitra irery no mijaly amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika fa ireo mpitatitra entana ihany koa. Izany hoe hisy fiantraikany goavana any amin’ny vidim-piainana ity fisondrotan’ny vidin-tsolika tsy ahitan’ny fanjakana fanafana ity. Misy risika goavana hiakatra toy izany ihany koa ny vidin-jiron’ny JIRAMA. Izany hoe ny vahoaka iray manontolo mihitsy no lasibatra amin’ny raharaha mitranga eto amin’ny firenena nefa tsy asian’ny fanjakana lanjany mihitsy. Ny hividy fiaramanidina sy hanamboatra seranam-piaramanidina no mahamaika ny mpitondra nefa na vola handoavana ny saran’ny tapakilan’ny takisibe aza tsy takatry ny ankamaroan’ny vahoaka.
Tsy mbola tafavoaka ny ala ny mpitondra na dia efa nanolo ny filan-kevi-pitantanan’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar, sy nanala ny talen’ny kabinetra ny fiadidiana ny repoblika aza. Mbola miandry ny ezaka sy fanapahan-kevitra tsy maintsy raisin’ny filoha raha te hivoaka amin’izao savorovoro politika sy sosialy mampiozongozona ny fitondrany izao izy.

Ravalo tsy manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre