Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Marovoay – Zazakely herintaona sy efa-bolana naolan’ny tovolahy 18 taona

Habibiana tsy roa aman-tany ary tena mampihoro-koditra raha ity vitan’ny tovolahy 18 taona ity. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo no nitrangan’izany tao amin’ny kaominina Ankazomborona, distrikan’i Marovoay nandritra ny fora zaza.
Alina tokony tamin’ny 2ora tany ho any dia nomen’ilay renim-pianakaviana an’ilay tovolahy mba ho tazominy ilay zazavavikely herintaona sy efa-bolana monja. Nentiny niala ny olona maro be anefa ilay zazakely ka nanamparany ny filan-dratsiny. Nisy nahatratra izy teo am-panaovana izany ka saika iharan’ny fitsaram-bahoaka. Naiditra hopitaly avy hatrany kosa ilay zaza taorian’izay ary araka ny filazan’ny mpitsabo azy dia simba tanteraka ny fivaviany sy ny ao anatin’ity zazakely ity. Ilay tovolahy kosa efa am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana mba atao famotorana.
Noho ny hafanam-pon’ny fianakaviana sy ny vahoaka dia nasintaka ao an-toerana ilay nahavanon-doza mandra-pahavitan’ny famotorana sy ny sazy mendrika azy, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana.
Manoloana izany dia tokony ho mailo hatrany ny rehetra, indrindra ny manan-janaka vavy, mba tsy hatokitoky olona fahatany na dia olom-pantatra aza, fa ny fakam-panahy tsy maha hendry ary efa miha biby saina koa ny olona amin’izao fotoana izao. Tsy fahafinaretana intsony no ilainy fa fanaranam-po tsotra izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre