Ambohimiandra – Jiolahy tratra kanefa votsotra indray
Nampametram-panontaniana ny andrimasom-pokonolona sy ny fokonolona ao Ambohimiandra ny nahavotsotra indray ilay jiolahy efa tratra ambodiomby saika hanafika tokantrano iray teny an-toerana ny alin’ny alarobia teo. Nanao savalalana nijery trano ho robaina teny Ambohimiandra Ambany ity jiolahy ity no tratran’ireo andrimasom-pokonolona niaraka tamin’ny « pince coupante » lehibe. Niantso polisy avy hatrany izy ireo mba hanao famotorana ity olon-dratsy ity. Nidina teny an-toerana izy ireo niaraka tamin’ny sefom-pokontany. Rehefa nofotorana ity farany dia nilaza fa ao akaikin’ny fiangonana Fjkm Ambohimiandra no misy ireo namany. Nilaza koa fa manana basy miisa efatra sy vola iray sakaosy ary entana iray trano izy. Noterena hanondro ny misy an’ilay trano izy avy eo.
Ny nahagaga anefa dia tsy navelan’ireo mpitandro filaminana sy ilay sefon-pokontany hanaraka azy ireo ireto andrimasom-pokonolona nahatratra ity lehilahy ity. Nony niverina ihany koa izy ireo dia nilaza fa votsotra ilay jiolahy. Mampiahiahy ireo « quartiers mobiles » noho izany zavatra nitranga izany. Manangona sonia izy ireo amin’izao fotoana izao manoloana ny fihetsika hafahafa nataon’ireo polisy sy sefom-pokontany mba hanaovana fanadihadiana azy ireo. Araka ny fantatra dia tsy vao izao no misy fanafihana mitam-piadiana miseho tao an-toerana fa tsy hita izay hiafarany rehefa tonga eo am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana.
Laurena Nany