Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Miarinarivo – Maty ilay ramatoa natao takalon’aina

Ny marainan’ny 9 jolay no hita faty ny ramatoa iray 78 taona izay natao takalon’aina tamin’ny lalana mihazo an’i Miarinarivo iny. Ny alin’ny 8 jolay tokony tamin’ny 11ora no nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Ambatofolaka, kaominina Soamahamanina, ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo.
Avy any ivelany ilay ramatoa no notsenaina fiara marika « Peugeot 405 » teny Ivato ho any ambanivohitra Miarinarivo. Rehefa tonga tamin’ilay fokontany voalaza etsy ambony anefa dia nosakanan’ny fiara « Land Rover » mitonda olona enin-dahy ao anatiny. Nolazain’ny iray tamin’izy ireo tamin’ilay mpamily nitondra an’ilay ramatoa be fa simba ilay fiara mba entina hamitahana azy ireo. « Mitete be ny solika avy ao anaty fantsona », hoy ity jiolahy. Nijonana noho izany ilay fiara ary nidina ilay mpamily hijery ny simba raha toa ka nijanona nanaraka izay ihany koa ny fiaran’ireo olon-dratsy. Vao nivoaka anefa ilay mpamily dia nentin’ny iray tamin’ireo jiolahy ilay fiara niaraka tamin’ilay ramatoa ao anatiny.
Nampandre ny mpitandro filaminana ilay mpamily ary niroso tamin’ny fikarohana an’ilay ramatoa be avy hatrany izy ireo. Efa ny vatan-mangatsiakany anefa no hita ny marainan’io tsy lavitra ny toerana nakana azy an-keriny. Fantatra ihany koa fa lasan’ireo jiolahy daholo ny vola be sy ny entana. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandarimaria.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre