Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Oniversiten’i Maninday – Taolam-paty tapa-gony hitan’ny mpianatra tao amin’ny “bloc Palestine”

Saika atao inona ? Taolam-paty tapa-gony no hitan’ny mpianatra vao maraina be tany Maninday Toliara. Raha ny fanazavana azo dia nisy nametraka teo akaikin’ny trano fonenan’ny mpianatry ny oniversite « bloc Palestine » ireto taolam-paty ireto. Taitra ny andiana mpianatra nahita gony hafahafa teo an-tokontany ka rehefa nosavaina ny tao anatiny dia taolam-paty. Nampandre haingana ny fokontany izy ireo ary ireto farany kosa niantso ny mpitandro filaminana. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia nisy nametraka teo alim-be ireto « saphir blanc ». Misokatra ny fanadihadiana. Tato ho ato manko raha ny vaovao samihafa voaray dia lasa fieren-jiolahy sy lapan’ny asa ratsy ny ao Maninday. Lasa ihany ny sain’ny mpanara-baovao dia ho sanatria ve misy amin’ireo mpianatra no mibizina taolam-paty manararaotra ny tsy fianarana amin’ny fitokonan’ireo mpampianatra mpikaroka avy ao amin’ny SECES izao?

 Eric Toliara 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre