Ambohipo – Mihenjan-droa ny tady eo amin’ireo mpivarotra sy ny mponina
Very hevitra ny maro ao Ambohipo manoloana ny ataon’ny mpivarotra. Mihatery ny lalana satria bahanan’ireo mpivarotra amin’ny latabatra fivarotany izany. Araka ny fantatra dia miala roa metatra avy amin’ny sisin-dalana andaniny sy ny ankilany izany ary hatramin’ny alina dia avelan’izy ireo eo amin’ny arabe ireo latabatra ireo ka na ny toerana ametrahana fiara aza manano sarotra.
Ahiana hipoaka ny fifandonana eo amin’ny mpivarotra sy ny mponina ary ny mpampiasa an’io lalana io satria lasa ireo mpivarotra no mametraka ny lalàna ankehitriny. Efa maro ireo zaza naratra noho ireo elo ben’ny mpivarotra. Lasa lalan-tokana mantsy amin’izao fotoana iny lalana iny hany ka mihatery ny arabe ahafahan’ny fiara mifanena raha hivoaka na hiditra ny tanànan’i Ambohipo.Tsy vitan’izany fa fitohanana mahatsiravina koa no misy eo amin’ny “trois chemins”izay mbola hanjakan’ny mpivarotra; manampy trotraka ny afitsoky ny taksibe izay mijanona eo. Efa nanao antso tamin’ireo tompon’andraikitra samihafa eny Ambohipo ireo mponina saingy hafa dia hafa ny valinteny azon’ireto farany: “Io varotra io no fiveloman’izy ireo ka tsy azo kitikitihana”.
Laurena Nany