Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Olam-pitiavana – Tovolahy 16 taona namono tena

Tratra ny tovolahy vao 16 taona nampirafy ny sakaizany ka nahatonga azy hamono tena. Ny omaly maraina no nisehoan’izany tany Antanimasaja ao Mahajanga. Diso fanantenana tamin’ilay sakaizany dia naleon’ity tovolahy kely ity nihinana fanafody be dia be. Tsy vitan’izany fa mbola nandeha niroboka tao amin’ny ranomasina teny amin’ny “village touristique” ao an-toerana ihany koa izy. Mpianatra sendra mandalo amin’iny toerana iny no namonjy azy raha nahita azy efa tena reraka be mihitsy. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy mba hanaraka fitsaboana sahaza azy. Efa ela izy roa ireo no nisy olana araka ny fantatra ary izao niafara tamin’ny fampirafesana izao. Tsy zakan’ilay tovolahy izany ka naleony namono tena. Tamin’ny fotoana nanoratana dia fantatra fa efa niverina ny ainy saingy tsy maintsy mbola arahi-maso akaiky ny fahasalamany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre