Aza mangalatra !
Raikitra ihany ny fampielezan-kevitra, izany hoe ho voatana ny datim-pifidianana amin’ny 31 jolay ho avy izao. Resaka hala-bato no tena mampanahy ireo kandida ivelan’ny antokom-panjakana amin’izao fifidianana izao. Niaraha-nahita rahateo ny fitanilana ataon’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana tamin’ny fotoana mialohan’ny fampielezan-kevitra. Tsy niafina mantsy fa tena niharihary fa nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ny sasany tamin’ireo kandidan’ny antokom-panjakana. Nanampy ireo rahateo ny fihetsiky ny filoham-pirenena izay tsy nitsahatra nanao fitetezam-paritra sy fitokanana zava-bita, ary nanao fampanantenana hanao izao sy izao. Tsy dia mendrika ny atao modely amin’ny firenena demokratika ireny nataon’ny filoha ireny satria hita fa misy tetika hanohanana ny kandidam-panjakana. Mazava ho azy mantsy fa tsy maintsy hanindry mafy ireo kandidan’ny HVM fa raha tsy izy ireo no lany dia tsy ho tanteraka ireny fampanantenan’ny filoha ireny. Hifantoka betsaka amin’ny filazana fa fanohizana ny efa natomboky ny fitondram-pajakana rahateo ny fampielezan-kevitr’izy ireo. Amin’ny fomba fiteny politika dia efa mangalatra sahady ny filazana izany. Mangalatra fanombohana ary mbola mangalatra ny vokatry ny zava-bita ho an’ny vahoaka mba handresena lahatra ny olona hifidy ny kandidan’ny antoko akaiky ny fitondrana.
Ahiana mafy ihany koa ary fomba fanao mahazatra teto amin’ny firenena ny fangalarana ny fitaovam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra. Tafiditra amin’izany hatramin’ny fiara ampiasaina, ny solika, ny fahana finday…Tsy maintsy hisy mantsy ireo minisitra sy mpiasam-panjakana ambony mpikambana amin’ny antokon’ny filoha, hanao fitetezam-paritra mandritra izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao. Hanararaotra hanampy tosika ny kandidan’ny antokony izy ireny nefa fiaram-panjakana mandeha amin’ny solika novidiana tamin’ny volam-bahoaka no ampiasaina.
Hadinon’ireo mpitondra ankehitriny fa zava-doza hatrany no vokatry ny halatra amin’ny fifidianana. Iaraha-mahita sy miaina izany hatramin’izay satria nihozongozona sy nidaraboka avokoa ireo mpitondra nanao izany. Mety ho lany sy handresy amin’ny fifidianana saingy zara raha lany ary tsy hahazo velively ny fanohanan’ny vahoaka. Porofon’izany ny mitranga amin’ny mpitondra ankehitriny izay nahazo fanakianana mivaivay tamin’ireo mpifaninana taminy izay nitondra tsikera betsaka tamin’ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Izao no vokany: marefo ny fitondrana ary azo sokajiana ho mitsipozipozy mihitsy. Fitokonana etsy fitokonana eroa, ary tsy mitsaha-mitotongana ny fari-piainan’ny vahoaka. Izany no vokany rehefa zara raha lany tamin’ny fifidianana ny olona mitondra. Dia ho toy izany ihany koa no hanjo ireo rehetra mikasa ny hangalatra amin’ity fifidianana ben’ny tanàna ity. Tsy hahazo ny fankatoavan’ny vahoaka mihitsy ka ho afa-baraka sy tsy hahavita ny nampanatenainy toy ny mpitondra ankehitriny.
Tsy mbola nanomboka akory ary ny fampielezan-kevitra dia efa maro sahady ireo kandida no mitaraina fa misy ny sakantsakana sy ny fingampingana ary ny fampitahorana samihafa. Efa halatra no filaza izany satria tsy famelana ny hafa hisitraka ny zony. Mangalatra ny zon’ny malagasy hisafidy an-kahalalahana sy am-pitoniana izay olona hitantana ny tananany.
Hanahirana ity fifidianana ity sy ny mety ho vokany raha toa ka mitohy izany fisomparana ny kandida hafa ivelan’ny fitondrana izany. Mazava ho azy mantsy fa tsy hifanaraka amin’ny tena safidim-bahoaka ny vokatra hivoaka eo ary ho maro ny tsy hanaiky izany ka dia hiteraka disadisa sy krizy vaovao ho an’ny firenena indray. Io no ilazana hoe aza mangalatra fa aleo izay tena safidim-bahoaka no hivoaka. Omeo fahalalahana hanao fampielezan-kevitra ny kandida, ary avelao hisafidy malalaka ny vahoaka. Aza ahodinkodina ihany koa ny safidim-bahoaka fa mba ekeo izay vokatra mivoaka eo.
Ravalo tsy Manana