Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Toliara – Mpampianatra nanolana ankizivavy 6 taona

Tsy mifaditrovana. Lehilahy iray mpampianatra 35 taona, monina sy miasa any Ankaraobato kaominina ambanivohitra Milenaka, distrikan’i Toliara II, sendra nivahiny tamin’ny namany tao Betania Toliara no nanolana zazavavy vao 6 taona monja, izay zanaky ny olona nivantanany ihany, ny alin’ny zoma teo. Ny silipon’ilay zaza feno rà vao maraina no nanaitra ny renibeny. Ity farany avy eo no nampilaza ny olona tao an-trano ny zava-nitranga. Rehefa nofotorana ilay zaza dia niteny fa ilay mpampianatra no nanao filan-dratsy sy fomba mamohetra taminy.

 

Simba tanteraka ilay zaza

Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera dia hita fa simba tanteraka ilay zaza. Raha ny fanazavana azo : rehefa tafandry daholo ny olona tao an-trano dia nosafosafoiny ilay zaza ary natsofony tany anaty fivavian’ilay voatavo tsy mifandraka ny tanany ka nitosaka ny ra. Ny talata teo no natolotra ny fitsarana ity ramose mpanolana, ka nidoboka am-ponja vonjy maika. Hentitra ny chef d’ escadron Tsiketa Janvier Parfait, komandin’ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena ao Toliara, raha nitafa tamin’ny mapano gazety omaly, fa « ny fanolanana dia heloka be vava toy ny mangalatra omby, mamono olona ka tsy azo anaovana kabary ambany kily (raharaham-pihavanana). »

Eric Toliara 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre