Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Tazomoka – Olona 15 nindaosin’ny fahafatesana

Nanomboka ny tapaky ny volana mey 2015 hatramin’ny 16 jolay lasa teo dia mahatratra 15 ireo olona namoy ny ainy noho ny aretina tazomoka tao amin’ny kaominina Betsiaka ao Ambilobe.

Mandripaka ny tazomoka noho ny tsy fampiasan’ny olona any an-toerana ny lay misy ody moka sy ny tsy fanatonana toeram-pitsaboana ara-potoana. Zaza no tena betsaka maty sy ny reny mitondra vohoka, hoy i Dr Laurette, lehiben’ny hopitaly any an-toerana. Araka ny filazany dia misy tsara ny fanafody entina mitsabo ity aretina ity fa saingy tara ny marary vao manatona ny hopitaly ka lasa tsy miasa amin’ny vatan’ny olona ilay fanafody. Eo ihany koa ny hopitaly izay tsy hary fomba ka zarizary ny fitsaboana marary.

Ankoatra ny tazomoka anefa dia mamely any Betsika koa ny aretin-kibo sy ny aretim-pivalanana. Ny loto sy tsy fitandreman’ireo ray aman-dreniny ny fahadiovana eo amin’ny fikarakarana ny zanany no antony tena mahatonga izany.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre