Sprinter nivadika – Olona roa namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizina ain’olona tany amin’ny distrikan’Antalaha. Olona roa indray mandeha niara-namoy ny ainy tao amin’ny lalana mampitohy any Antalaha sy Sambava iny ny andron’ny sabotsy 18 juillet, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiranambidy. Fandehanana mafy no fantatra fa nahatonga ny loza.
Nirimorimo mafy ny fiara Sprinter iray izay nitondra olona mihoatra ny 20. Rehefa tonga tao amin’ilay tanàna voalaza etsy ambony dia vaky tampoka ny kodiarana teo aloha. Niezaka nanitsaka ny hisatra ny fiara ihany ilay mpamily mba ampijanona ilay Sprinter fa nisosa ihany izany. Vao maika ary nivadibadika ilay fiara izay nandratrana mafy ireo mpandeha rehetra tao anatiny. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitalibe Antalaha ireo olona naratra ireo mba hahazo fitsaboana. Fotoana fohy nahatongavana tao amin’ny hopitaly anefa dia namoy ny ainy ny roa tamin’ireo mpandeha noho ny fahaverezan-dra be loatra.
Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana mahakasika ity lozam-pifampoivoizana mahatsiravina ity.
Laurena Nany