Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Fahitana ny anadahiny naratra – Vehivavy iray maty tsy tra-drano

Tany Ambilo ao amin’ny kaominina Betsiaka, anatin’ny distikan’i Ambilobe no nisehoan’izany ny alakamisy lasa teo, tamin’ny 10 ora maraina. Ady fatana no niamtobohan’ny loza araka ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Nisy ny ady hevitra teo amin’ny lehilahy 33 taona sy namany hafa tao an-toerana. Noho ny hevitra tsy mitovy anefa dia niafara tamin’ny fikasian-tanana sy ny fampiasana antsy izany. Naratra mafy vokatry ny vono sy fandratrana azy ilay lehilahy. Nahita ny rà nandriaka ilay ramatoa anabavin’ilay naratra dia namoy ny ainy.  Tapaka lalan-drà no nahafaty azy raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy. Ilay naratra kosa nentina teny amin’ny hopitaly ao Ambilobe mba ho tsaboina. Efa mandeha ny fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ny fandratrana izay niteraka fahafatesan’olona.

 

Tranga efa fahita

Efa tranga fahita sy fandre isan’andro ao Ambilo, ao amin’ny kaominina Betsiaka, ny ady fatana. Raha tsy miditra manao fiambenana ny mpitandro filaminana dia misy hatrany ny fifamonoana. Tsy maharaka anefa ny fiambenana ataon’izy ireo manoloana ny fatana an-jatony ao an-toerana izay miparitaka amin’ny sektera 20 mahery.

Manampy trotraka ihany koa ny gadra vao nivoaka ny fonja mampiasa ny sandriny any amin’ireo fatana ireo.

Tena mahazo vahana ny asa ratsy sy fifamonoana any an-toerana amin’izao fotoana izao nefa tsy ampy ny mpitandro filaminana miasa ao Betsiaka hoy ny loharanom-baovao.

 

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre